plt_tn/2ki/15/08.md

1.3 KiB

Tamin'ny fahavalo amby telopolo taona nanjakan'i Azaria mpanjakan'i Joda

DH: "Tamin'ny faha 38 taona nanjakan'i Azaria mpanjakan'i Joda"

Zakaria zanak'i Jeroboama

Jeroboama no mpanjakan'Israely faharoa nanana izany anarana izany. Izy dia zanak'i Joasy Mpanjaka.

nanjaka teo amin'ny Israely tany Samaria nandritra ny enim-bolana

Samaria ny tanàna nipetrahan'i Zakaria rehefa mpanjakan'Israely izy. DH: "nipetraka tao Samaria ary nanjaka teo amin'Israely nandritra ny enim-bolana"

Nanao izay ratsy ... izy

"Nanao izay ratsy ... i Zakaria"

izay ratsy teo imason'i Yaveh

Ny hoe "teo imason'i Yaveh" dia ilazana ny fomba fitsaran'i Yaveh. Jereo ao amin'ny 3:1 ny fomba nandikanao izany. DH: "izay ratsy araka ny fomba fitsaran'i Yaveh" na "izay heverin'i Yaveh fa ratsy"

Tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama zanak'i Nebata ... izy

Ny fialana amin'ny fahotana dia midika hoe "mandà ny hanota". DH: "Tsy nandà ny hanao ireo fahotan'i Jeroboama zanak'i Nebata i Zakaria" na "Nanota tahaka ny nanotan'i Nebata i Jeroboama"

Jeroboama zanak'i Nebata

Jeroboama no mpanjaka voalohan'ireo foko tavaratra folo nitondra ny fanjakan'Israely.

izay nahatonga ny Israely nanota izy

Eto ny teny hoe "Israely" dia ilazana ny vahoakan'ny fanjakan'Israely. DH: "izay nampanota ny vahoakan'Israely"