plt_tn/2ki/05/26.md

1.2 KiB

Tsy niaraka taminao ve ny fanahiko rehefa nihodina tamin'ny kalesiny mba hitsena anao ilay lehilahy?

Nampiasa izany fanontaniana fampisainana izany i Elisa mba hanehoany fa namela azy ahita izay nataon'i Gehazy i Yaveh. Azo atao fehezanteny tsotra izany. DH: "Tokony fantatrao fa nahita anao ny fanahiko rehefa nanajanona ny kelisiny mba hiresaka aminao izy."

Fotoana fandraisana vola sy akanjo ... mpanompo lahy sy vavy ve izao?

Nampiasa izany fanontaniana fampisainana izany Elisa mba hanehoany fa tsy fotoanan'ny fanomezana izao. Azo atao fehezanteny tsotra izany. DH: "Tsy fotoana fanekena vola izao ... mpanompo lahy sy vavy"

ho aminao sy ny taranakao mandrakizay ny habokan'i Namàna

Toy ny hoe nesorina tamin'i Namàna ny habokany ary nafindra tamin'i Gehazy sy ny taranany. DH: "ho boka tahakan'i Namàna ianao sy ny taranakao"

Koa niala tamin'ny fanatrehany i Gehazy

Ny teny hoe "fanatrehany" dia ilazana ny toerana izay nahitany an'i Elisa. Izany dia midika fa nandao ny efitrano izay nisy an'i Elisa izy. DH: "Rehefa nandao ny efitrano Gehazy, dia lasa boka izy"

boka fotsy tahaka ny oram-panala

Mihafotsy ny hoditra rehefa voan'ny habokana. Eto ny habokan'ny hoditr'i Gehazy dia ampitahaina amin'ny lokon'ny oram-panala"