plt_tn/2ki/04/12.md

1005 B

Gehazy

Anaran-dehilahy izany.

Antsoy io Sonemita io

"Antsoy io vehivavy Sonemita io." Izany dia ilazana ilay vehivavy avy any Sonema izay nijanonan'i Elisa.

Efa nankaty amin'izao olana rehetra izao ianao mba hiahy anay

Ny andian-teny hoe "'izao olana rehetra izao" dia ilazana ny zavatra rehetra izay nataon'ilay vehivavy ho an'i Elisa. DH: "Efa naneho fahatsaram-panahy

Inona no azo atao ho anao

Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "Inona no azonay atao aminao"

Afaka misolo vava anao ... ve izahay

Eto i Elisa dia nanontany an-dravehivavy sao mba maniry azy hisolo vava hanao fangatahana ho azy amin'ny mpanjaka na amin'ny lehiben'ny tafika. Azo azavaina ny tena hevitr'izany fanontaniana izany. DH: "Afaka manao fangatahana ho anao ve izahay"

Miara-mipetraka amin'ny vahoakako aho

Nilaza ilay vehivavy fa tsy mila fanampiana izy satria miahy azy ny fianakaviany. DH: "Monina manodidina ahy ny fianakaviako, ary satria mikarakara ahy izy ireo, dia tsy mila fanampiana aho."