# Gehazy Anaran-dehilahy izany. # Antsoy io Sonemita io "Antsoy io vehivavy Sonemita io." Izany dia ilazana ilay vehivavy avy any Sonema izay nijanonan'i Elisa. # Efa nankaty amin'izao olana rehetra izao ianao mba hiahy anay Ny andian-teny hoe "'izao olana rehetra izao" dia ilazana ny zavatra rehetra izay nataon'ilay vehivavy ho an'i Elisa. DH: "Efa naneho fahatsaram-panahy # Inona no azo atao ho anao Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "Inona no azonay atao aminao" # Afaka misolo vava anao ... ve izahay Eto i Elisa dia nanontany an-dravehivavy sao mba maniry azy hisolo vava hanao fangatahana ho azy amin'ny mpanjaka na amin'ny lehiben'ny tafika. Azo azavaina ny tena hevitr'izany fanontaniana izany. DH: "Afaka manao fangatahana ho anao ve izahay" # Miara-mipetraka amin'ny vahoakako aho Nilaza ilay vehivavy fa tsy mila fanampiana izy satria miahy azy ny fianakaviany. DH: "Monina manodidina ahy ny fianakaviako, ary satria mikarakara ahy izy ireo, dia tsy mila fanampiana aho."