plt_tn/2ki/01/05.md

12 lines
1.2 KiB
Markdown

# Rehefa niverina tany amin'i Ahazia ireo mpitondra hafatra
Rehefa avy nihaona tamin'i Elia ireo mpitondra hafatra, dia niverina tany amin'ny mpanjaka izy ireo raha tokony ho any Ekrona.
# Satria ve tsy misy Andriamanitra ao Israely no nandefa ny olonao haka hevitra any amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona ianao?
Napetraka izany fanontaniana fampisainana izany mba hibedesana azy ireo ny amin'ny nakan'izy ireo hevitra tany amin'i Bala-zeboba. Azo avadika ho fehezanteny tsotra izany. Fanesoana izany satria izy ireo dia mahafantatra tsara an'Andriamanitr'Israely. Jereo ao amin'ny 1:3 ny fomba nandikanao izany fanontaniana izany. DH: "Ry adala! Fantatratrareo fa misy an'Andriamanitr'Israely, nefa ianareo dia manao toy ny tsy mahafantatra rehefa nandefa lehilahy haka hevitra tany amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona!"
# tsy hidina avy eo amin'ny fandrinao izay efa niakaranao ianao
Rehefa naratra i Ahazia Mpanjaka, dia napetraka teo am-pandriana izy. Niteny i Yaveh fa tsy hihatsara mihitsy izy ary tsy ho tafala eo am-pandriany. Jereo ao amin'ny 1:3 ny fomba nandikanao izany fanontaniana izany. DH: "Ianao dia tsy ho sitrana ary tsy ho tafatsangana avy eo am-pandrianao izay hitsoranao"