plt_tn/2ki/01/05.md

1.2 KiB

Rehefa niverina tany amin'i Ahazia ireo mpitondra hafatra

Rehefa avy nihaona tamin'i Elia ireo mpitondra hafatra, dia niverina tany amin'ny mpanjaka izy ireo raha tokony ho any Ekrona.

Satria ve tsy misy Andriamanitra ao Israely no nandefa ny olonao haka hevitra any amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona ianao?

Napetraka izany fanontaniana fampisainana izany mba hibedesana azy ireo ny amin'ny nakan'izy ireo hevitra tany amin'i Bala-zeboba. Azo avadika ho fehezanteny tsotra izany. Fanesoana izany satria izy ireo dia mahafantatra tsara an'Andriamanitr'Israely. Jereo ao amin'ny 1:3 ny fomba nandikanao izany fanontaniana izany. DH: "Ry adala! Fantatratrareo fa misy an'Andriamanitr'Israely, nefa ianareo dia manao toy ny tsy mahafantatra rehefa nandefa lehilahy haka hevitra tany amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona!"

tsy hidina avy eo amin'ny fandrinao izay efa niakaranao ianao

Rehefa naratra i Ahazia Mpanjaka, dia napetraka teo am-pandriana izy. Niteny i Yaveh fa tsy hihatsara mihitsy izy ary tsy ho tafala eo am-pandriany. Jereo ao amin'ny 1:3 ny fomba nandikanao izany fanontaniana izany. DH: "Ianao dia tsy ho sitrana ary tsy ho tafatsangana avy eo am-pandrianao izay hitsoranao"