36 lines
1.4 KiB
Markdown
36 lines
1.4 KiB
Markdown
# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
|
|
|
|
Efa nampitandrina ireo olona any Korinto ny amin'ireo mpitarika hafa izay miady mafy ny hahazo ireo mpino Korintianina mba hanaraka azy ireo i Paoly, dia mampatsiahy ireo olona ny amin'izay tsapany momba azy ireo.
|
|
|
|
# Raiso izahay
|
|
|
|
Izany dia miverina milaza izay efa nolazain'i Paoly tao amin'ny 6:11 mahakasika ny fanokafana ny fon'izy ireo ho azy. DH: "Omeo toerana ao am-ponareo izahay" na "Tiavo izahay ary maneke anay"
|
|
|
|
# Tsy hanameloka anareo no hitenenako izao
|
|
|
|
"Tsy miteny izany aho mba hiampangana anareo amin'ny fanaovana ny tsy mety." Ny teny hoe "izao" dia milaza izay vao nolazain'i Paoly mahakasika ny tsy fanaovan-dratsy tamin'iza na iza.
|
|
|
|
# ato amponay ianareo
|
|
|
|
I Paoly dia miresaka ny aminy sy ny fitiavany lehibe sy ny an'ireo mpiara-miasa aminy ho an'ireo Korintiana toy ny hoe mihazona azy ireo tao am-pony. DH: "malala indrindra aminay ianareo"
|
|
|
|
# fa miara-maty ary miara-velona isika
|
|
|
|
Izany dia midika fa i Paoly sy ireo mpiara-miasa aminy dia hitia an'ireo Korintiana hatrany na inona na inona mitranga. DH: "na velona isika na maty"
|
|
|
|
# fa miara-maty ary miara-velona isika
|
|
|
|
Tafiditra ao amin'ny hoe "isika" ireo Korintiana mpino.
|
|
|
|
# Feno fampiononana aho
|
|
|
|
Azo adika hoe DH: "fenoinareo fampiononana aho"
|
|
|
|
# Tena faly aho
|
|
|
|
IResahin'i Paoly toy ny hoe rano izay mameno azy mandra-pitobany ny fifaliana. DH: "Tena faly be aho"
|
|
|
|
# na dia eo aza ny fampahoriana rehetra
|
|
|
|
"na dia ao aza ny fahasahiranana rehetra"
|