plt_tn/2co/07/02.md

1.4 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Efa nampitandrina ireo olona any Korinto ny amin'ireo mpitarika hafa izay miady mafy ny hahazo ireo mpino Korintianina mba hanaraka azy ireo i Paoly, dia mampatsiahy ireo olona ny amin'izay tsapany momba azy ireo.

Raiso izahay

Izany dia miverina milaza izay efa nolazain'i Paoly tao amin'ny 6:11 mahakasika ny fanokafana ny fon'izy ireo ho azy. DH: "Omeo toerana ao am-ponareo izahay" na "Tiavo izahay ary maneke anay"

Tsy hanameloka anareo no hitenenako izao

"Tsy miteny izany aho mba hiampangana anareo amin'ny fanaovana ny tsy mety." Ny teny hoe "izao" dia milaza izay vao nolazain'i Paoly mahakasika ny tsy fanaovan-dratsy tamin'iza na iza.

ato amponay ianareo

I Paoly dia miresaka ny aminy sy ny fitiavany lehibe sy ny an'ireo mpiara-miasa aminy ho an'ireo Korintiana toy ny hoe mihazona azy ireo tao am-pony. DH: "malala indrindra aminay ianareo"

fa miara-maty ary miara-velona isika

Izany dia midika fa i Paoly sy ireo mpiara-miasa aminy dia hitia an'ireo Korintiana hatrany na inona na inona mitranga. DH: "na velona isika na maty"

fa miara-maty ary miara-velona isika

Tafiditra ao amin'ny hoe "isika" ireo Korintiana mpino.

Feno fampiononana aho

Azo adika hoe DH: "fenoinareo fampiononana aho"

Tena faly aho

IResahin'i Paoly toy ny hoe rano izay mameno azy mandra-pitobany ny fifaliana. DH: "Tena faly be aho"

na dia eo aza ny fampahoriana rehetra

"na dia ao aza ny fahasahiranana rehetra"