plt_tn/2co/01/08.md

28 lines
1.1 KiB
Markdown

# tsy tianay ianareo tsy ahafantatra
Azo adika hoe DH: "tianay ianareo ahafantatra"
# Izahay dia novesarina tanteraka mihoatra an'izay tokony ho zakanay
I Paoly sy Timothy dia manambara ny fihetseham-po feno fahakivian'izy ireo toy lanja mavesatra izay tsy maintsy zakain'izy ireo.
# Izahay dia novesarina tanteraka
Ny teny hoe: "novesarina" dia manambara ny fahatsapana fahakiviana. Azo adika hoe DH: "ireo olana izay niainanay dia nanorotoro anay tanteraka" na "Tao anatin'ny fahakiviana tanteraka izahay.''
# Teo aminay tokoa ny fanamelohana ho faty
I Paoly sy Timoty dia mampitaha ny fahakivian'izy ireo amin'ny olona voaheloka ho faty. DH: "tao anatin'ny fahakiviana tahaka ny olona izay voaheloka ho faty izahay"
# fa kosa amin'Andriamanitra
Ny teny hoe: " hametraka ny tokinay" dia tsy nampidirina tato amin'ity fehezanteny ity. DH: "fa kosa, mametraka ny tokinay amin'Andriamanitra izahay"
# izay mampitsangana ny maty
"izay nanangana ireo maty"
# tamin'ny loza mahafaty
Ampitahain'i Paoly amin'ny loza mahatsiaravina na loza mahafaty ny fahakiviana vokatry ny olana nianjady tamin'izy ireo. DH: "fahadisoam-panantenana"