plt_tn/1ti/05/11.md

1.1 KiB

Fa ho an'ireo mpitondratena mbola tanora kosa, dia aza manaiky ny hanoratra azy ireo ao anaty lisitra

"Fa tsy tafiditra tao amin'ny lisitra ireo mpitondratena tanora." Ny lisitra dia misy ny mpitondratena 60 taona ary mihoatra izay ho ampian'ireo vondron'ny Kristiana.

Fa rehefa milavo-lefona amin'ny filan'ny nofo hanohitra an'i Kristy izy ireo, dia te hanambady

"Satria rehefa te hanatanteraka ny faniriany ara-nofo izy ireo ary hanambady, dia manohitra ny fampanantenany mba hanompo an'i Kristy toy ny mpitondratena izy ireo"

namadika ny fanolaran-tenany voalohany

"Tsy mitazona ny fanoloran-tena izay nataony teo aloha" na "tsy manao izay nampanantenain'izy ireo taloha"

ny fanolaran-tenany

Ny fanoloran-tenan'ireo mpitondratena dia ny fanekena hanompo ny fiaraha-monin'ireo Kristianina mandritra ny andro sisa iainan'izy ireo raha mamaly ny filàn'ireo mpitondratena ny fiaraha-monina.

Ka dia lasa zatra malaina koa izy ireo

"manana fahazarana amin'ny tsy fanaovana na inona na inona"

mpifosa

Ireo dia olona miresaka momba ny fiainana manokan'ny olona iray.

mpila ady

Izy ireo dia olona izay miditra amin'ny fiainan'ny olona hafa.