plt_tn/1th/02/13.md

715 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Paoly dia nanohy nampiasa ny hoe "anay" anondroana ny tenany sy ireo namana niara nandeha taminy ary ny hoe "ianareo" ho an'ireo mpino Tesaloniana.

Isaoranay ihany koa an'Andriamanitra mandrakariva

Matetika i Paoly no misaotra an'Andriamanitra noho ny faneken'izy ireo ny hafatry ny filazantsara izay nozarainy tamin'izy ireo.

Noraisinareo izany araka izay marina, dia ny tenin'Andriamanitra.

Ireo Tesaloniana dia nino ny hafatr'i Paoly toy ny avy amin'Andriamanitra, fa tsy tamin'ny fahefan'i Paoly manokana.

Izany teny izany ihany koa no miasa eo aminareo izay mino

Paoly dia miresaka ny hafatry ny filazantsaran'Andriamanitra toy ny hoe olona nanao asa izany.