# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Paoly dia nanohy nampiasa ny hoe "anay" anondroana ny tenany sy ireo namana niara nandeha taminy ary ny hoe "ianareo" ho an'ireo mpino Tesaloniana. # Isaoranay ihany koa an'Andriamanitra mandrakariva Matetika i Paoly no misaotra an'Andriamanitra noho ny faneken'izy ireo ny hafatry ny filazantsara izay nozarainy tamin'izy ireo. # Noraisinareo izany araka izay marina, dia ny tenin'Andriamanitra. Ireo Tesaloniana dia nino ny hafatr'i Paoly toy ny avy amin'Andriamanitra, fa tsy tamin'ny fahefan'i Paoly manokana. # Izany teny izany ihany koa no miasa eo aminareo izay mino Paoly dia miresaka ny hafatry ny filazantsaran'Andriamanitra toy ny hoe olona nanao asa izany.