plt_tn/1sa/15/28.md

947 B

Efa nesorin'i Yaveh hiala aminao ny fanjakan'Israely

Miverina mitodika amin'ny nandrovitan'i Saoly ny lamban'i Samoela ao amin'ny 15:2 io. Azo atao mazava izany. DH: "Araka ny nandrovitanao ny lambako, dia ho triarin'i Yaveh ihany koa ny fanjakan'Israely"

nomeny ho an'ny namanao, izay tsara noho ianao

Efa nanapa-kevitra sahady Yaveh ny amin'izay ho mpanjaka handimby an'i Saoly.

ny Tanjak'Israely

Io fomba fiteny io dia manondro an'i Yaveh, izay manome hery ho an'ny Israelita. DH: "Yaveh, ilay tanjak'Israely"

tsy handainga na hampiova ny heviny akory

Io dia entina hanindriana fa milaza ny marina Andriamanitra. DH: "hilaza ny marina mandrakariva ary hanao izay lazainy"

ny heviny

Ilazana ny eritreriny sy ny fanapahan-keviny izany. DH: "izay nanapahany hevitra hatao"

fa tsy olona Izy, ka hiova hevitra

Io dia entina hanindriana fa azo itokiana Andriamanitra. DH: "Andriamanitra Izy, ary hanao izay lazainy fa hataony"