plt_tn/1sa/15/28.md

24 lines
947 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Efa nesorin'i Yaveh hiala aminao ny fanjakan'Israely
Miverina mitodika amin'ny nandrovitan'i Saoly ny lamban'i Samoela ao amin'ny 15:2 io. Azo atao mazava izany. DH: "Araka ny nandrovitanao ny lambako, dia ho triarin'i Yaveh ihany koa ny fanjakan'Israely"
# nomeny ho an'ny namanao, izay tsara noho ianao
Efa nanapa-kevitra sahady Yaveh ny amin'izay ho mpanjaka handimby an'i Saoly.
# ny Tanjak'Israely
Io fomba fiteny io dia manondro an'i Yaveh, izay manome hery ho an'ny Israelita. DH: "Yaveh, ilay tanjak'Israely"
# tsy handainga na hampiova ny heviny akory
Io dia entina hanindriana fa milaza ny marina Andriamanitra. DH: "hilaza ny marina mandrakariva ary hanao izay lazainy"
# ny heviny
Ilazana ny eritreriny sy ny fanapahan-keviny izany. DH: "izay nanapahany hevitra hatao"
# fa tsy olona Izy, ka hiova hevitra
Io dia entina hanindriana fa azo itokiana Andriamanitra. DH: "Andriamanitra Izy, ary hanao izay lazainy fa hataony"