plt_tn/1sa/05/11.md

1.3 KiB

ilay fiaran'ny Andriamanitr'Israely

Adikao araka ny nataonao tao amin'ny 3:1 io. Mitovy amin'ny "fiaran'ny faneken'Andriamanitra" ihany ao amin'ny 4:3 ihany io.

Andriamanitr'Israely

Ireo mety ho heviny dia 1) manambara ny anaran'ny Andriamanitr'Israely manokana izy ireo na 2) ninoan'izy ireo fa nanompo ny iray amin'ireo andriamanitra maro ny Israely, "ny andriamanitr'Israely." Adikao araka ny ao amin'mny 5:6 io.

nisy fisavorovoroana lehibe nanerana ny tanàna

"natahotra ny olona nanerana ny tanàna fa ho faty"

tena navesatra teo ny tanan'Andriamanitra

Ny tanana dia fibangoan-teny ilazana ny famaizan'Andriamanitra ny olona. "Nofaizin'i Yaveh mafy dia mafy ny vahoaka tao"

Ireo olona izay tsy maty

Ny hevitra ambadik'izany dia maro tokoa ny olona maty.

fivontosana

Ireo mety hoe heviny dia 1) fivontosana anaty hoditra mangirifiry na 2) hemoroida (fipotsahan'ny tsinaim-body).

ny fitarainan'ny tanàna dia niakatra nanenika ny lanitra

Ny teny hoe "tanàna" dia fibangoan-teny ilazana ny vahoakan'izany tanàna izany. Ireo mety ho heviny dia 1) Ny teny hoe "niakatra nanenika ny lanitra" dia fomba fiteny ilazana hoe "mafy dia mafy." DH: "Nitaraina mafy dia mafy ny vahoakan'ny tanàna" na 2) ny teny hoe "lanitra" dia fibangoan-teny ilazana ireo andriamanitry ny olona. DH: "nitaraina tamin'ireo andriamaniny ny vahoakan'ny tanàna"