plt_tn/1sa/05/11.md

28 lines
1.3 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# ilay fiaran'ny Andriamanitr'Israely
Adikao araka ny nataonao tao amin'ny 3:1 io. Mitovy amin'ny "fiaran'ny faneken'Andriamanitra" ihany ao amin'ny 4:3 ihany io.
# Andriamanitr'Israely
Ireo mety ho heviny dia 1) manambara ny anaran'ny Andriamanitr'Israely manokana izy ireo na 2) ninoan'izy ireo fa nanompo ny iray amin'ireo andriamanitra maro ny Israely, "ny andriamanitr'Israely." Adikao araka ny ao amin'mny 5:6 io.
# nisy fisavorovoroana lehibe nanerana ny tanàna
"natahotra ny olona nanerana ny tanàna fa ho faty"
# tena navesatra teo ny tanan'Andriamanitra
Ny tanana dia fibangoan-teny ilazana ny famaizan'Andriamanitra ny olona. "Nofaizin'i Yaveh mafy dia mafy ny vahoaka tao"
# Ireo olona izay tsy maty
Ny hevitra ambadik'izany dia maro tokoa ny olona maty.
# fivontosana
Ireo mety hoe heviny dia 1) fivontosana anaty hoditra mangirifiry na 2) hemoroida (fipotsahan'ny tsinaim-body).
# ny fitarainan'ny tanàna dia niakatra nanenika ny lanitra
Ny teny hoe "tanàna" dia fibangoan-teny ilazana ny vahoakan'izany tanàna izany. Ireo mety ho heviny dia 1) Ny teny hoe "niakatra nanenika ny lanitra" dia fomba fiteny ilazana hoe "mafy dia mafy." DH: "Nitaraina mafy dia mafy ny vahoakan'ny tanàna" na 2) ny teny hoe "lanitra" dia fibangoan-teny ilazana ireo andriamanitry ny olona. DH: "nitaraina tamin'ireo andriamaniny ny vahoakan'ny tanàna"