plt_tn/1jn/04/07.md

1.1 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Jaona dia manohy mampianatra momba ny toetra vaovao. Izy dia mampianatra ireo mpamaky momba ny fitiavan'Andriamanitra sy ny fitiavana ny hafa.

Ry malala

"Ianareo ry olona tiako" na "Ry namana malala." Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 2:7.

aoka isika hifankatia

"mila mitia ny mpino hafa ireo mpino"

ary izay rehetra mitia dia naterak'Andriamanitra sy mahafantatra an'Andriamanitra

"satria ireo izay tia ny namana mpino dia tonga zanak'Andriamanitra ary mahafantatra Azy"

fa ny fitiavana dia avy amin'Andriamanitra

"satria Andriamanitra nampifankatia antsika"

naterak'Andriamanitra

Sarin-teny izany izay midika olona iray manana fifandraisana amin'Andriamanitra tahaka ny zanaka sy ny rainy.

Ny olona izay tsy mitia dia tsy mahafantatra an'Andriamanitra, satria Andriamanitra dia fitiavana

"Ny tena toetran'Andriamanitra dia ny mitia ny olona. Ireo izay tsy mitia ny mpino namany dia tsy mahafantatra an'Andriamanitra satria ny toetran'Andriamanitra dia ny mitia ny olona."

Andriamanitra dia fitiavana

Sarin-teny izay midika hoe: "ny toetran'Andriamanitra dia fitiavana"