plt_tn/1jn/02/15.md

1.5 KiB

Aza mitia an'izao tontolo izao

Ao amin'ny 2:5-17 ny teny hoe: "izao tontolo izao" dia maneho ny zavatra rehetra tian'ny olona atao izay tsy manome voninahitra an'Andriamanitra. DH: "Aza manana toetra tahaka ny olona eto amin'izao tontolo izao izay tsy manome voninahitra an'Andriamanitra"

na ireo zavatra eo aminy

"ary aza maniry ireo zavatra izay tian'ireo tsy manome voninahitra an'Andriamanitra"

Raha misy mitia an'izao tontolo izao, dia tsy ao aminy ny fitiavan'ny Ray

Ny olona iray dia tsy afaka mitia an'izao tontolo izao sy izay rehetra tsy manome voninahitra an'Andriamanitra fa mitia ny Ray amin'izay fotoana izay.

tsy ao aminy ny fitiavan'ny Ray

"tsy tia ny Ray izy"

ny filan'ny nofo, ny filan'ny maso, ary ny fiavonavonan'ny fiainana

Io dia lisitry ny zavatra sasany eto an-tany. Izany dia manazava ny dikan'ny "zavatra rehetra izay eto an-tany"

ny filan'ny nofo

"faniriana mafy hahazo fahafinaretan'ny nofo feno fahotana"

ny filan'ny maso

"faniriana mafy hahazo izay zavatra hita"

ny fieboebon'ny fiainana

"fireharehan'ny fiainana." Mety tafiditra ao anatin'izany ireo fananana sy toetra. "mirehareha momba ny zavatra ataon'ny olona iray na ataony" na "ny fireharehana tsapan'ny olona nohon'ny fananan'izy ireo sy izay ataony"

ny fiainana

Maneho ny zavatra izay hananan'ny olona mba hivelomana izany, toy ny fananana sy harena ary ny toetra.

tsy avy amin'ny Ray

"tsy fomba fiainana nampianarin'ny Ray antsika izany"

mandalo

"tsy ho eto indray andro any"