56 lines
1.9 KiB
Markdown
56 lines
1.9 KiB
Markdown
# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
|
|
|
|
Ity boky ity dia manana tanjona roa: finamanana sy hafaliana.
|
|
|
|
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
|
|
|
|
I Jaona apostoly dia manoratra ity taratasy ity ho an'ireo mpino. Izay mitovy amin'ny "anareo," "izay anareo" ao dia maneho an'ireo mpino. Eto ny teny hoe: "izahay" sy "anay" dia maneho an'i Jaona sy ireo izay niaraka tamin'i Jesosy.
|
|
|
|
# Izay hatramin'ny fiandohana
|
|
|
|
Ny teny hoe: "Izay hatramin'ny fiandohana" dia maneho an'i Jesosy izay nisy talohan'ny nanaovana ny zava-drehetra. DH: "Izahay dia manoratra ho anareo momba ilay iray izay nisy talohan'ny nahariana an'izao tontolo izao."
|
|
|
|
# ny fiandohana
|
|
|
|
"ny fiandohan'ny zavatra rehetra" na "ny fahariana izao tontolo izao"
|
|
|
|
# izay efa renay
|
|
|
|
"izay renay nampianariny"
|
|
|
|
# izay efa hitanay ... izay efa nojerenay
|
|
|
|
Averimberina ireo mba ho fanamafisana. DH: "izay hitanay tenanay"
|
|
|
|
# ny Tenin'ny fiainana
|
|
|
|
Ny "ny Tenin'ny fiainana" dia i Jesosy. DH: "Jesosy, ilay iray izay hahatonga ny olona ho velona mandrakizay"
|
|
|
|
# fiainana
|
|
|
|
Ny teny hoe: "fiainana" amin'io taratasy io dia maneho izay mihoatra ny fiainana ara-batana. Izany eto dia maneho an'i Jesosy, ilay fiainana mandrakizay.
|
|
|
|
# ny fiainana dia nampahafantarina
|
|
|
|
Afaka atao hoe: "Andriamanitra nampahafantatra ny fiainana mandrakizay antsika" na "Andriamanitra nanao antsika ho afaka mahafantatra Azy, ilay fiainana mandrakizay"
|
|
|
|
# ary efa hitanay izany
|
|
|
|
"ary efa hitanay Izy"
|
|
|
|
# ka mijoro vavolombelona amin'izany izahay
|
|
|
|
"manambara ampahibemaso Azy amin'ny hafa izahay"
|
|
|
|
# ny fiainana mandrakizay
|
|
|
|
Eto ny hoe: " ny fiainana mandrakizay" dia maneho ilay iray izay manome izany fiainana izany, dia i Jesosy. DH: "ilay iray izay mamela antsika hiaina mandrakizay"
|
|
|
|
# izay tao amin'ny Ray
|
|
|
|
"izay tao amin'Andriamanitra ilay Ray"
|
|
|
|
# ary izay efa nampahafantarina anay
|
|
|
|
Izany dia tamin'izy nipetraka tety an-tany. DH: "ary Izy tonga hiaina eo anivontsika"
|