# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Ity boky ity dia manana tanjona roa: finamanana sy hafaliana. # Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: I Jaona apostoly dia manoratra ity taratasy ity ho an'ireo mpino. Izay mitovy amin'ny "anareo," "izay anareo" ao dia maneho an'ireo mpino. Eto ny teny hoe: "izahay" sy "anay" dia maneho an'i Jaona sy ireo izay niaraka tamin'i Jesosy. # Izay hatramin'ny fiandohana Ny teny hoe: "Izay hatramin'ny fiandohana" dia maneho an'i Jesosy izay nisy talohan'ny nanaovana ny zava-drehetra. DH: "Izahay dia manoratra ho anareo momba ilay iray izay nisy talohan'ny nahariana an'izao tontolo izao." # ny fiandohana "ny fiandohan'ny zavatra rehetra" na "ny fahariana izao tontolo izao" # izay efa renay "izay renay nampianariny" # izay efa hitanay ... izay efa nojerenay Averimberina ireo mba ho fanamafisana. DH: "izay hitanay tenanay" # ny Tenin'ny fiainana Ny "ny Tenin'ny fiainana" dia i Jesosy. DH: "Jesosy, ilay iray izay hahatonga ny olona ho velona mandrakizay" # fiainana Ny teny hoe: "fiainana" amin'io taratasy io dia maneho izay mihoatra ny fiainana ara-batana. Izany eto dia maneho an'i Jesosy, ilay fiainana mandrakizay. # ny fiainana dia nampahafantarina Afaka atao hoe: "Andriamanitra nampahafantatra ny fiainana mandrakizay antsika" na "Andriamanitra nanao antsika ho afaka mahafantatra Azy, ilay fiainana mandrakizay" # ary efa hitanay izany "ary efa hitanay Izy" # ka mijoro vavolombelona amin'izany izahay "manambara ampahibemaso Azy amin'ny hafa izahay" # ny fiainana mandrakizay Eto ny hoe: " ny fiainana mandrakizay" dia maneho ilay iray izay manome izany fiainana izany, dia i Jesosy. DH: "ilay iray izay mamela antsika hiaina mandrakizay" # izay tao amin'ny Ray "izay tao amin'Andriamanitra ilay Ray" # ary izay efa nampahafantarina anay Izany dia tamin'izy nipetraka tety an-tany. DH: "ary Izy tonga hiaina eo anivontsika"