plt_tn/pro/27/11.md

20 lines
786 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# ary ampifalio ny foko
Eto ny "fo" dia maneho ny fahatsapana na fihetseham-pon'ny olona iray. DH: "ampifalifalio aho" na "ampiravoy aho"
# dia hamaly an'ilay maneso ahy aho
Eto ny hoe "hamaly" dia tsy midika ho mamaly fanontaniana akory. Ny dikan'izany dia mamaly ny olona izay maneso. Ny fifandraisan'izany amin'ny fehezan-kevitra teo aloha dia azo atao mazava. DH: "dia hamaly ilay iray izay maneso ahy amin'ny filazana aminy momba anao aho"
# Ny lehilahy mailo dia mahatsinjo ny loza ka miafina, fa ny olona bado dia mandroso ihany ka mijaly noho izany
Adikao araka ny nandikanao ny adian-teny mitovy amin'io tao amin'ny 22:3 io.
# Ny lehilahy mailo
"Olona hendry" na "Olona izay manan-tsaina tsara"
# ny olona bado
"ny olona tsy manan-traikefa" na " ny olona tsy matotra"