# ary ampifalio ny foko Eto ny "fo" dia maneho ny fahatsapana na fihetseham-pon'ny olona iray. DH: "ampifalifalio aho" na "ampiravoy aho" # dia hamaly an'ilay maneso ahy aho Eto ny hoe "hamaly" dia tsy midika ho mamaly fanontaniana akory. Ny dikan'izany dia mamaly ny olona izay maneso. Ny fifandraisan'izany amin'ny fehezan-kevitra teo aloha dia azo atao mazava. DH: "dia hamaly ilay iray izay maneso ahy amin'ny filazana aminy momba anao aho" # Ny lehilahy mailo dia mahatsinjo ny loza ka miafina, fa ny olona bado dia mandroso ihany ka mijaly noho izany Adikao araka ny nandikanao ny adian-teny mitovy amin'io tao amin'ny 22:3 io. # Ny lehilahy mailo "Olona hendry" na "Olona izay manan-tsaina tsara" # ny olona bado "ny olona tsy manan-traikefa" na " ny olona tsy matotra"