plt_tn/num/03/46.md

28 lines
1013 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# ho an'ny fanavotana
Ny anarana hoe "fanavotana" dia afaka adika ho matoanteny hoe "manavotra". DH: "manavotra"
# voalohan-teraky ny vahoakan'Israely
"ireo zanaka lahimatoan'Israely"
# sekely dimy
Ny sekely dia mari-pandanjana mira 11 grama eo ho eo. DH: "eo ho eo amin'ny volafotsy 55 grama"
# izay mampihoatra ny isan'ireo Levita
Io dia midika fa misy 273 mihoatra amin'ny fitambaran'isan'ireo Levita lahy ireo lahimatoa eo amin'ireo fokon'Israelita hafa.
# Ampiasao tahaka ny fenitry ny lanja mahazatra anao ny sekelin'ny fitoerana masina
Io dia midika fa tsy maintsy lanjaina tahaka ny an'ireo izay ao amin'ny fitoerana masina ny sekely. DH: "Tsy maintsy mampiasa ny lanjan'ireo sekely ao amin'ny toerana masina tahaka ny lanja mahazatra anao ianao"
# gera roapolo
"gera 20". Ny gera dia mari-pandanjana mira 57 kilao eo ho eo.
# ny vidim-panavotana izay naloanao
Eto ny teny hoe "vidy" dia manondro ireo sekely izay nangonin'i Mosesy. DH: "ny vola izay nangoninao tamin'ny fanavotana azy ireo"