# ho an'ny fanavotana Ny anarana hoe "fanavotana" dia afaka adika ho matoanteny hoe "manavotra". DH: "manavotra" # voalohan-teraky ny vahoakan'Israely "ireo zanaka lahimatoan'Israely" # sekely dimy Ny sekely dia mari-pandanjana mira 11 grama eo ho eo. DH: "eo ho eo amin'ny volafotsy 55 grama" # izay mampihoatra ny isan'ireo Levita Io dia midika fa misy 273 mihoatra amin'ny fitambaran'isan'ireo Levita lahy ireo lahimatoa eo amin'ireo fokon'Israelita hafa. # Ampiasao tahaka ny fenitry ny lanja mahazatra anao ny sekelin'ny fitoerana masina Io dia midika fa tsy maintsy lanjaina tahaka ny an'ireo izay ao amin'ny fitoerana masina ny sekely. DH: "Tsy maintsy mampiasa ny lanjan'ireo sekely ao amin'ny toerana masina tahaka ny lanja mahazatra anao ianao" # gera roapolo "gera 20". Ny gera dia mari-pandanjana mira 57 kilao eo ho eo. # ny vidim-panavotana izay naloanao Eto ny teny hoe "vidy" dia manondro ireo sekely izay nangonin'i Mosesy. DH: "ny vola izay nangoninao tamin'ny fanavotana azy ireo"