plt_tn/jdg/16/10.md

20 lines
783 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Izao ny fomba namitahanao ahy sy nilazanao lainga amiko
Mitovy ny hevitry ny teny hoe "mamitaka" sy "mandainga" ary nolazaina izany mba hanasongadinana ny hatezeran'i Delila. D.H: "Namitaka ahy loatra ianao!"
# hahafahana mandresy anao
Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "hahafahan'ny vahoaka mandresy anao"
# Eo aminao ireo Filistina
Ny andian-teny hoe "eo aminao" dia midika fa efa tonga hisambotra azy izy ireo. DH: "Efa eto ireo Filistina hisambotra anao"
# niandry
Izany dia midika fa niafina izy ireo ary niandry ny fotoana hanafiana. DH: "niandry mba hanafika azy"
# tahaka ny poti-kofehy
Manoritsoritra ny nanapahany mora foana ilay tady amin'ny fampitahana izany tahaka ny manapaka poti-kofehy ny mpanoratra. DH: "mora foana tahaka ny poti-kofehy"