# Izao ny fomba namitahanao ahy sy nilazanao lainga amiko Mitovy ny hevitry ny teny hoe "mamitaka" sy "mandainga" ary nolazaina izany mba hanasongadinana ny hatezeran'i Delila. D.H: "Namitaka ahy loatra ianao!" # hahafahana mandresy anao Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "hahafahan'ny vahoaka mandresy anao" # Eo aminao ireo Filistina Ny andian-teny hoe "eo aminao" dia midika fa efa tonga hisambotra azy izy ireo. DH: "Efa eto ireo Filistina hisambotra anao" # niandry Izany dia midika fa niafina izy ireo ary niandry ny fotoana hanafiana. DH: "niandry mba hanafika azy" # tahaka ny poti-kofehy Manoritsoritra ny nanapahany mora foana ilay tady amin'ny fampitahana izany tahaka ny manapaka poti-kofehy ny mpanoratra. DH: "mora foana tahaka ny poti-kofehy"