plt_tn/jdg/10/06.md

32 lines
1.2 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Nanampy ny ratsy izay nataon'izy ireo teo imason' i Yaveh
Izany dia miresaka ny faharatsiana ho toy ny hoe zavatra izay azo ampiana mba ho lehibe kokoa. DH: "nanohy nanao izay nolazain'i Yaveh fa ratsy"
# teo imason' i Yaveh
Eto ny hoe "teo imason'i Yaveh'' eto dia midika izay fiheveran'Andriamanitra sy ny heritreriny amin'ny zavatra iray. DH: "araka ny hevitr'i Yaveh''
# Astarta
Jereo ao amin'ny 2:11 ny fomba nandikanao izany.
# Nandao an'i Yaveh izy ireo ary tsy nanompo Azy intsony
Naverin'ny mpanoratra intelo izany mba hisongadina. Azo atao ihany koa hoe DH: "Natsahatr'izy ireo tanteraka ny fanompoana an'i Yaveh"
# Nandao an'i Yaveh izy ireo
Ny tsy fankatoavana sy tsy fanompoana an'i Yaveh intsony dia resahina toy ny hoe nandao an'i Yaveh ny vahoaka ary nandeha tany an-kafa.
# Nirehitra tamin'i Israely ny hatezeran'i Yaveh
Ny hatezeran'i Yaveh dia resahina tou ny hoe afo mandoro. DH: "Tezitra mafy tamin'Israely i Yaveh"
# namidiny teo an-tanan'ireo Filistina sy teo an-tanan'ireo Amonita izy ireo
Ny famelan'i Yaveh an'ireo Filistina sy ireo Amonita handresy ny Israelita dia resahina toy ny hoe namidiny tamin'izy ireo ny Israelita.
# teo an-tanan-
Eto ny hoe "tanan-('ireo)'' dia midika hoe hery na fifehezana.