1.2 KiB
Nanampy ny ratsy izay nataon'izy ireo teo imason' i Yaveh
Izany dia miresaka ny faharatsiana ho toy ny hoe zavatra izay azo ampiana mba ho lehibe kokoa. DH: "nanohy nanao izay nolazain'i Yaveh fa ratsy"
teo imason' i Yaveh
Eto ny hoe "teo imason'i Yaveh'' eto dia midika izay fiheveran'Andriamanitra sy ny heritreriny amin'ny zavatra iray. DH: "araka ny hevitr'i Yaveh''
Astarta
Jereo ao amin'ny 2:11 ny fomba nandikanao izany.
Nandao an'i Yaveh izy ireo ary tsy nanompo Azy intsony
Naverin'ny mpanoratra intelo izany mba hisongadina. Azo atao ihany koa hoe DH: "Natsahatr'izy ireo tanteraka ny fanompoana an'i Yaveh"
Nandao an'i Yaveh izy ireo
Ny tsy fankatoavana sy tsy fanompoana an'i Yaveh intsony dia resahina toy ny hoe nandao an'i Yaveh ny vahoaka ary nandeha tany an-kafa.
Nirehitra tamin'i Israely ny hatezeran'i Yaveh
Ny hatezeran'i Yaveh dia resahina tou ny hoe afo mandoro. DH: "Tezitra mafy tamin'Israely i Yaveh"
namidiny teo an-tanan'ireo Filistina sy teo an-tanan'ireo Amonita izy ireo
Ny famelan'i Yaveh an'ireo Filistina sy ireo Amonita handresy ny Israelita dia resahina toy ny hoe namidiny tamin'izy ireo ny Israelita.
teo an-tanan-
Eto ny hoe "tanan-('ireo)'' dia midika hoe hery na fifehezana.