plt_tn/isa/05/11.md

28 lines
1.2 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# ireo izay mifoha vao mangiran-dratsy ... izay mijanona amin'ny alina
Ilazana ireo olona izay tsy manao na inona na inona mandritra ny tontolo andro afa-tsy ny misotro zava-pisotro misy alikaola io.
# mandra-pandoron'ny divay azy ireo
Eto ny herin'ny divay hahamamo ny mpisotro izany dia resahina toy ny hoe mandoro azy ireo, izany hoe, mampirehitra azy ireo. DH: "mandra-pahamamon'ny divay azy ireo"
# harpa, lokanga, ny , ny sodina, ary ny divay
Ireo dia zava-maneno ary ny divay dia misy hevitra ambadika fa ny olona mankafy ireo zavatra ireo dia manao fety be tokoa.
# ampongatapaka
Zava-maneno misy lohany tahaka ny amponga izay azo velezina amin'ny tanana. Mety misy korotam-by manodidina ny sisiny izay maneno rehefa manontsakontsana izany ilay mpively. Ny ampongatapaka dia kely ampy ho tazonin'ny mpively azy sy hanontsakontsanany amin'ny tanana ilany.
# nihevitra
"nihevitra tsara momba ny"
# zava-bitan'ny tanany
Io dia azo averina amboarina mba ho azo ambara amin'ny endrika matoanteny "natao" na "namboarina" ny anarana hoe "zava-bita." DH: "izay nataony" na "izay namboariny"
# zava-bitan'ny tanany
Eto ny "tanana" dia maneho ny olona izay nanao zavatra iray. DH: "izay nataon'i Yaveh"