# ireo izay mifoha vao mangiran-dratsy ... izay mijanona amin'ny alina Ilazana ireo olona izay tsy manao na inona na inona mandritra ny tontolo andro afa-tsy ny misotro zava-pisotro misy alikaola io. # mandra-pandoron'ny divay azy ireo Eto ny herin'ny divay hahamamo ny mpisotro izany dia resahina toy ny hoe mandoro azy ireo, izany hoe, mampirehitra azy ireo. DH: "mandra-pahamamon'ny divay azy ireo" # harpa, lokanga, ny , ny sodina, ary ny divay Ireo dia zava-maneno ary ny divay dia misy hevitra ambadika fa ny olona mankafy ireo zavatra ireo dia manao fety be tokoa. # ampongatapaka Zava-maneno misy lohany tahaka ny amponga izay azo velezina amin'ny tanana. Mety misy korotam-by manodidina ny sisiny izay maneno rehefa manontsakontsana izany ilay mpively. Ny ampongatapaka dia kely ampy ho tazonin'ny mpively azy sy hanontsakontsanany amin'ny tanana ilany. # nihevitra "nihevitra tsara momba ny" # zava-bitan'ny tanany Io dia azo averina amboarina mba ho azo ambara amin'ny endrika matoanteny "natao" na "namboarina" ny anarana hoe "zava-bita." DH: "izay nataony" na "izay namboariny" # zava-bitan'ny tanany Eto ny "tanana" dia maneho ny olona izay nanao zavatra iray. DH: "izay nataon'i Yaveh"