plt_tn/deu/18/15.md

28 lines
1.1 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
# Hanangana mpaminany avy aminareo ho anareo i Yaveh Andriamanitrareo
Yaveh manendry olona iray ho mpaminany dia resahina toy ny hoe hanangana na hanandratra ilay olona Yaveh.
# iray amin'ireo rahalahinareo
"iray amin'ireo Israelita namanareo"
# Izany no nangatahinareo
Ny hoe "ianareo" eto dia maneho ireo Israelita tany amin'ny Tendrombohitra Horeba tamin'ny 40 taona lasa.
# tany Horeba tamin'ny andron'ny fiangonana
"tamin'ny andro niangonanareo niaraka tany Horeba"
# andron'ny fiangonana, manao hoe: " Andeha isika tsy handre ny feon'i Yaveh Andriamanitsika intsony, na hahita ity afo lehibe ity intsony, fandrao ho faty isika.'
DH: "andron'ny fiangonana tamin'ny fotoana nilazanareo fa tsy te-handre ny feon'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo, na hahita ny afony lehibe intsony, satria natahotra ny ho faty ianareo"
# Andeha isika tsy handre ny feon'i Yaveh Andriamanitsika intsony
Eto ny hoe "feo" dia maneho an'i Yaveh miteny. DH: "Aoka isika tsy handre an'i Yaveh Andriamanitsika miteny intsony"