# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely. # Hanangana mpaminany avy aminareo ho anareo i Yaveh Andriamanitrareo Yaveh manendry olona iray ho mpaminany dia resahina toy ny hoe hanangana na hanandratra ilay olona Yaveh. # iray amin'ireo rahalahinareo "iray amin'ireo Israelita namanareo" # Izany no nangatahinareo Ny hoe "ianareo" eto dia maneho ireo Israelita tany amin'ny Tendrombohitra Horeba tamin'ny 40 taona lasa. # tany Horeba tamin'ny andron'ny fiangonana "tamin'ny andro niangonanareo niaraka tany Horeba" # andron'ny fiangonana, manao hoe: " Andeha isika tsy handre ny feon'i Yaveh Andriamanitsika intsony, na hahita ity afo lehibe ity intsony, fandrao ho faty isika.' DH: "andron'ny fiangonana tamin'ny fotoana nilazanareo fa tsy te-handre ny feon'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo, na hahita ny afony lehibe intsony, satria natahotra ny ho faty ianareo" # Andeha isika tsy handre ny feon'i Yaveh Andriamanitsika intsony Eto ny hoe "feo" dia maneho an'i Yaveh miteny. DH: "Aoka isika tsy handre an'i Yaveh Andriamanitsika miteny intsony"