\v 17 Ny taranaka rehetra manomboka amin'i Abrahama ka hatrany amin'i Davida dia taranaka efatra ambin'ny folo, manomboka amin'i Davida ka hatrany amin'ny fandroahana ho any Babylona dia taranaka efatra ambin'ny folo, ary manomboka amin'ny fandroahana ho any Babylona ka hatrany amin'i Kristy dia taranaka efatra ambin'ny folo.
\v 18 Tahaka izao no nitrangan'ny fahaterahan'i Jesosy Kristy. Ny reniny, Maria, dia efa natokana hanambady an'i Josefa, saingy talohan'ny niarahan'izy ireo, dia hita fa nitoe-jaza izy avy tamin'ny Fanahy Masina.
\v 19 Josefa, vadiny, dia lehilahy marina, no sady tsy ta-hanala baraka azy ampahibemaso. Ka nanapa-kevitra izy ny hamarana mangingina ny fifanekeny taminy.
\v 20 Ary raha izy mbola nieritreritra mahakasika ireo zavatra ireo iny, dia niseho taminy tamin'ny nofy ny anjelin'ny Tompo, manao hoe: “Josefa, zanaka lahin'i Davida, aza matahotra ny haka an'i Maria ho vadinao, satria ilay iray izay notorontoronina ao anatiny dia ny Fanahy Masina no nampitoetra azy.
\v 21 Hiteraka zaza lahy izy, ary ianao hiantso ny anarany hoe Jesosy, fa izy no hamonjy ny olony hiala amin'ny fahotan'izy ireo.”
\v 9 Taorian'ny nandrenesan'izy ireo ny mpanjaka, dia nandeha tamin'ny lalany izy ireo, ary ny kintana izay hitan'izy ireo teny atsinanana no nialoha azy ireo mandra-pijanony teo ambonin'ny toerana nisy ilay zaza.
\v 10 Rehefa nahita ny kintana izy ireo, dia niravo tamim-pifaliam-be.
\v 11 Niditra tao amin'ilay trano izy ireo ary nahita ny zaza niaraka tamin'i Maria reniny. Niankohoka sy nidera azy izy ireo. Nanokatra ny fitoeran-kareny izy ireo ary nanolotra fanomezana volamena, dintin-kazo manitra, ary miora ho azy.
\v 12 Nampitandrina azy ireo tamin'ny nofy Andriamanitra mba tsy hiverina any amin'i Heroda, ka lalana hafa no nandehanan'izy ireo namonjy ny fireneny avy.
\v 13 Rehefa lasa izy ireo, dia nisy anjelin'ny Tompo niseho tamin'i Josefa tamin'ny alalan'ny nofy ary niteny hoe: “Miarena, ento ny zaza sy ny reniny, ary mandosira any Egypta. Mitoera any mandra-pilazako aminao, fa i Heroda dia mitady ilay zaza mba hamonoana azy.”
\v 16 Avy eo Heroda, rehefa nahita fa voafitak'ireo lehilahy manam-pahalalana, dia tezitra mafy. Naniraka sy nampamono ny zazalahy rehetra roa taona no midina izay tao Betlehema sy tao amin'iny faritra rehetra iny izy, araka ny fotoana izay nofotorany mazava tamin'ireo lehilahy manam-pahalalana.
\v 17 Avy eo dia tanteraka ny teny izay nolazaina tamin'ny alalan'i Jeremia mpaminany hoe:
\v 18 “Nisy feo re tao Rama, fitomaniana sy fisaonam-be, mitomany nohon'ny amin'ny zanany i Rahely, ary tsy nanaiky ny ho ampanginina izy, satria efa lasana izy ireo.”
\v 22 Fa rehefa reny fa i Arkelaosy no nanjaka tany Jodia nandimby an'i Heroda rainy, dia natahotra ny ho any izy. Taorian'ny nampitandreman' Andriamanitra azy tamin'ny nofy, dia niala nankany amin'ny faritr'i Galilia izy
\v 2 “Mibebaha, fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra.”
\v 3 Fa izy no ilay nolazain'Isaia mpaminany, manao hoe: “Misy feo iray miantso mafy any an'efitra hoe: ‘Amboary ny lalan'ny Tompo, ahitsio ny lalany.’”
\v 7 Fa nony nahita ireo Fariseo sy Sadoseo maro nanatona azy mba ho atao batisa izy, dia hoy izy tamin'izy ireo hoe: “Ry taranaka menarana feno poizina, iza no nampitandrina anareo hitsoaka ny fahatezerana izay ho avy?
\v 9 Ary aza misaina ny hilaza anankam-po hoe: ‘Manana an'i Abrahama ho rainay izahay.’ Fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra dia mahavita manangana zanaka ho an'i Abrahama na dia avy amin'ireto vato ireto aza.
\v 11 Manao batisa anareo amin'ny rano ho amin'ny fibebahana aho. Fa mahery noho izaho izy izay tonga aoriako, ary izaho dia tsy mendrika akory na dia ny hitondra ny kapany aza. Hanao Batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo Izy.
\v 12 Efa eny an-tanany ny fikororohany mba hanadiovana ny famoloany ary hanangonana ny variny any an-tsompitra. Fa izy dia handoro ireo akofa amin'ny afo izay tsy mety maty.”
\v 16 Nony vita batisa Izy, dia nivoaka ny rano avy hatrany Jesosy, ary indro, nisokatra taminy ny lanitra. Hitany ny Fanahin'Andriamanitra nidina toy ny voromailala ary nankeo amboniny.
\v 3 Nanatona ny mpaka fanahy ka niteny taminy hoe: “Raha Zanak'Andriamanitra Ianao, dia teneno ho tonga mofo ireto vato ireto.”
\v 4 Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: “Voasoratra hoe: ‘Tsy ny mofo ihany no hiveloman'ny olona fa izay teny rehetra aloaky ny vavan'Andriamanitra.”’
\v 6 ary niteny taminy hoe: “Raha Zanak'Andriamanitra ianao, dia mianjerà any ambany any, fa voasoratra hoe: ‘Izy handidy ireo anjeliny hiahy anao' sy ‘hanandratra Anao eo amin'ny tanan'izy ireo, ka tsy ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao.’”
\v 9 Hoy izy taminy hoe: “Ireo rehetra ireo dia homeko anao, raha toa ka miankohoka eto anatrehako sy midera ahy ianao.”
\v 10 Avy eo Jesosy niteny taminy hoe: “Mialà eto ianao, ry Satana! Fa efa voasoratra hoe: ‘Ianao dia hidera ny Tompo Andriamanitrao, ary izy irery ihany no ho tompoinao.’”
\v 12 Ary nony ren'i Jesosy fa voasambotra Jaona, dia niverina nakany Galilia izy.
\v 13 Nandao an'i Nazareta izy ka nandeha ary nonina tao Kapernaomy, izay eo amoron-dranomasin'ny Galilia, ao amin'ny zara-tanin'i Zebolona sy Naftaly.
\v 14 Izany no nitranga mba hahatanteraka izay nambaran'Isaia mpaminany hoe:
\v 16 Ireo olona nipetraka tamin'ny maizina dia nahita fahazavana lehibe, ary ireo izay nipetraka tamin'ny faritra sy ny aloky ny fahafatesana, dia teo amin'izy ireo no niposahan'ny fahazavana.”
\v 11 Sambatra ianareo raha maniratsira anareo sy manenjika anareo ny olona, ary miteny ny karazana lainga ratsy rehetra hanohitra anareo nohon'ny amiko.
\v 12 Mifalia sy miravoravoa, fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra. Fa toy izany ny fomba nanenjehan'ny olona ireo mpaminany izay niaina talohanareo.
\v 13 Ianareo no siran'ny tany. Fa raha ny sira no tonga matsatso, amin'ny fomba ahoana no ampasira izany indray? Tsy ho tsara na amin'ny inona na amin'ny inona intsony izany fa hariana sy ho hitsahin'ny tongotry ny olona sisa.
\v 14 Ianareo no fahazavan'izao tontonlo izao. Ny tanàna miorina eo amin'ny havoana dia tsy azo hafenina intsony.
\v 15 Tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka izany any ambany harona, fa eo amin'ny fitoeran-jiro, ka manazava ny rehetra ao an-trano izany.
\v 16 Aoka hazava eo anoloan'ny olona toy izany fomba izany ny fahazavanareo mba ahitan'izy ireo ny asa tsara ataonareo ary ankalazany ny Rainareo izay any an-danitra.
\v 17 Aza mieritreritra hoe tonga handrava ny lalàna na ireo mpaminany Aho. Tsy tonga hamotika ireo Aho, fa hanatanteraka azy ireo.
\v 18 Fa lazaiko marina aminareo fa mandra-pahalevon'ny lanitra sy ny tany, dia tsy ho foana amin'ny lalàna na dia litera iray sy tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanteraky ny zavatra rehetra.
\v 19 Noho izany na iza na iza mandika na dia ny kely indrindra amin'ireo didy ireo sy mampianatra ny hafa anao toy izany dia ho antsoina hoe kely indrindra ao amin'ny fanjakan'ny lanitra. Fa na iza na iza mankatoa sy mampianatra ireo dia ho antsoina hoe lehibe ao amin'ny fanjakan'ny lanitra.
\v 20 Fa lazaiko aminareo fa raha tsy mihoatra noho ny an'ny mpanora-dalàna sy ny fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra ao amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy ianareo.
\v 21 Efa renareo fa voalaza tamin'izy ireo fahiny hoe: ‘Aza mamono olona,’ ary ‘Na iza na iza mamono olona dia ho helohina any amin'ny fitsarana.’
\v 22 Fa lazaiko aminareo fa izay rehetra tezitra amin'ny rahalahiny dia mendrika ny ho helohina any amin'ny fitsarana; ary na iza na iza miteny ny rahalahiny hoe: ‘Ianao dia olom-poana!’ dia ho helohina any amin'ny filan-kevitra; ary na iza na iza milaza hoe: ‘Adala ianao!’ dia mendrika ny ho any amin'ny farihy mirehitra afo.
\v 23 Noho izany raha manolotra ny fanatitrao eo amin'ny alitara ianao ka tsaroanao teo fa manana alahelo aminao ny rahalahinao,
\v 24 dia avelao eo anoloan'ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana zory ny lalanao. Mihavàna aloha amin'ny rahalahinao, ary avy eo miverena dia atolory ny fanatitrao.
\v 25 Mihavàna faingana amin'ny mpiampanga anao raha mbola miara-dia aminy any amin'ny fitsarana ianao, fandrao ny mpiampanga anao hanolotra anao amin'ny mpitsara, ary ny mpitsara mety hanolotra anao amin'ny manam-boninahitra, ka hatao ao an-trano maizina ianao.
\v 26 Lazaiko marina aminareo, fa tsy ho afaka mivoaka ao mihintsy ianao mandra-pandohanao ny vola faran'ny kely indrindra amin'ny trosanao.
\v 28 Kanefa lazaiko aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy ka maniry azy dia efa nijangajanga tao am-pony sahady.
\v 29 Raha manafintohina anao ny masonao ankavanana, dia esory izany ary atsipazo lavitra anao. Fa tsara kokoa ho anao raha ny ampahany iray amin'ny vatanao no tokony ho simbaina fa tsy ny tenanao rehetra no atsipy any amin'ny helo.
\v 30 Raha manafintohina anao ny tananao ankavanana, dia tapaho ary atsipazo lavitra hiala aminao. Fa tsara kokoa ho anao raha ny ampahany iray amin'ny vatanao no tokony ho very fa tsy ny tenanao rehetra no atsipy any amin'ny helo.
\v 32 Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra misaraka amin'ny vadiny, afa-tsy nohon'ny fijangajangana, dia mampijangajanga azy. Na iza na iza manambady azy aorian'ny fisarahany dia mijangajanga.
\v 45 mba ho tonga zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo. Fa Izy dia mampiposaka ny masoandrony amin'ny ratsy sy ny tsara, ary mampilatsaka ny orana amin'ny marina sy ny tsy marina.
\v 46 Fa raha ireo izay tia anareo no tiavinareo, inona no valisoa azonareo? Moa na dia ny mpamory hetra aza tsy mba manao tahaka izany koa?
\v 47 Raha ny rahalahinareo irery ihany no arahabainareo, inona no mba ataonareo mihoatra ny hafa? Moa na dia ny Jentilisa aza tsy mba manao tahaka izany koa?
\v 48 Noho izany dia tsy maintsy tanteraka ianareo, tahaka ny fahatanterahan'ny Rainareo izay any an-danitra.
\v 1 Mitandrema mba tsy hanao ny asan'ny fahamarinanareo eo anatrehan'ny olona ianareo mba ho itan'izy ireo, fa raha tsy izany dia tsy hahazo ny valisoa avy amin'ny Rainareo izay any an-danitra.
\v 2 Noho izany rehefa maneho fihantrana ianareo, dia aza mitsoka trompetra misarika ny hafa tahaka ny ataon'ny mpiatsara velatsia any amin'ny synagoga sy eny amin'ny lalana, ka mba mety hahazo ny fideran'ny olona izy ireo. Lazaiko marina aminareo, fa izy ireo dia efa nandray ny valisoany.
\v 3 Fa rehefa maneho fihantrana ianareo, aza atao fantatrin'ny tananareo havia izay ataon'ny tananareo havanana,
\v 4 ka mba homena mangingina ny fanomezanareo. Avy eo ny Rainareo izay mahita amin'ny mangingina no hamaly soa anareo.
\v 5 Rehefa mivavaka ianareo, aza manao tahaka ny mpihatsaravelatsihy, fa izy ireo tia mijoro sy mivavaka eo amin'ny synagoga sy eo amoron-dalana, ka mba mety ho itan'ny olona. Lazaiko marina aminareo, fa izy ireo dia efa nandray ny valisoany.
\v 6 Fa ianareo, rehefa mivavaka, midira ao amin'ny efi-tranonareo. Hidio ny varavarana, dia mivavaha amin'ny Rainareo izay ao amin'ny mangingina. Avy eo ny Rainareo izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly soa anareo.
\v 7 Rehefa mivavaka ianareo, aza manao teny maro tsy misy ilàna azy tahaka ny ataon'ny Jentilisa, ny amin'ny fiheverany fa ho re izy ireo nohon'ny teny maro izay ataony.
\v 8 Noho izany, aza manao tahaka azy ireo, fa ny Rainareo dia efa mahafantatra ireo zavatra izay ilainareo mialohan'ny angatahanareo Aminy.
\f + \ft Fanamarihana: Ny dika teny taloha tsara indrindra dia manala ny hoe: “Fa Anao ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra mandrakizay. Amen.” \f*
\v 16 Ankoatra izay, rehefa mifady hanina ianareo, aza mampiseho endrika mampalahelo tahaka ny ataon'ny mpiatsaravelatsihy, fa manaratsy tarehy izy ireo ka mba mety ho itan'ny olona fa tena mifady hanina. Lazaiko marina aminareo, fa efa nandray ny valisoany izy ireo.
\v 17 Fa ianao, rehefa mifady hanina, osory menaka ny lohanao ary sasao ny tarehinao,
\v 18 ka mba tsy ho itan'ny hafa hoe mifady hanina, fa amin'ny Rainao izay ao amin'ny mangingina ihany; ary ny Rainao izay mahita ao amin'ny mangingina, no hamaly soa anao.
\v 19 Aza mitahiry ny harenareo ety an-tany, izay simbain'ny kalalao sy harafesina, ary hidiran'ireo mpangalatra an-keriny ka hangalatra.
\v 20 Fa kosa, tehirizo ny harenareo any an-danitra, izay tsy ho simban'ny kalalao sy harafesina, ary tsy hidiran'ireo mpangalatra an-keriny ka hangalatra.
\v 21 Fa izay misy ny harenao, no itoeran'ny fonao ihany koa.
\v 22 Ny maso no jiron'ny vatana. Noho izany, raha tsara ny masonao, dia ho feno fahazavana ny vatana rehetra.
\v 23 Fa raha ratsy ny masonao, dia ho feno haizina ny vatanao rehetra. Noho izany, raha maizina ny fahazavanaizay ao anatinao amin'izao, manao ahoana ny halehibehin'izany haizana izany!
\v 24 Tsy misy afaka hanompo tompo roa, fa hankahala ny iray izy ary hitia ny iray, raha tsy izany hanolo-tena ho an'ny iray ka hankahala ny iray hafa. Ianao dia tsy afaka hanompo an'Andriamanitra sy ny harena.
\v 25 Noho izany lazaiko aminareo, aza miahiahy momba ny ainareo, izay hohaninareo na izay hosotroinareo - na momba ny vatanareo, izay hotafianareo. Fa tsy lehibe noho ny sakafo va ny fiainana, ary ny vatana lehibe noho ny fitafiana?
\v 26 Jereo ireo vorona eny amin'ny habakabaka. Izy ireny dia tsy mamafy na mijinja na manangona ao an-tsompitra, fa ny Rainareo izay any an-danitra no mamahana azy ireny. Tsy sarobidy kokoa mihoatra ireny ve ianareo?
\v 27 Iza aminareo no afaka manampy hakio iray amin'ny andro hiainany amin'ny fanahiana?
\v 28 Nahoana ianareo no miahiahy momba ny fitafianareo? Saino ny momban'ny lilia eny amin'ny saha, ahoana ny fanirin'izy ireny. Tsy mba miasa izy ireny, ary tsy mamoly fitafiana.
\v 29 Lazaiko aminareo, fa na i Solomona aza amin'ny voninahiny rehetra dia tsy nitafy tahaka ny iray amin'ireny.
\v 30 Raha ampitafian'Andriamanitra tahaka izany ny ahitra any an-tsaha, izay rehetra misy anio sy rahampitso dia hatsipy ao am-patana, toy ny ahoana no ampitafiany anareo bebe kokoa, ianareo ry kely finoana?
\v 5 Ry mpihatsaravelatsihy! Esory aloha ny andry izay ao anaty masonao, ary avy eo ianao hahita tsara rehefa manala ny singa-mololo izay eo amin'ny mason'ny rahalahinao.
\v 6 Aza omena ny alika izay masina, ary aza hatsipy eo anoloan'ny kisoa ny vatosoanareo. Raha tsy izany dia mety ho voahitsany ny tongotr'izy ireo, ary avy eo hifotitra sy hamiravira anareo amin'ny fahapotehana.
\v 12 Noho izany, na inona na inona zavatra tianareo ho ataon'ny olona amin'ny tenanareo, dia tokony hanao toy izany amin'izy ireo ihany koa ianareo, fa izany no lalàna sy ireo mpaminany.
\v 24 Noho izany, ireo rehetra izay mandre ny teniko ary mankatoa izany dia ho tahaka ny olona hendry izay nanorina ny tranony eny ambony vatolampy.
\v 25 Nirotsaka ny orana, tonga ny tondran-drano, ary nifofofofo sy namely ilay trano ny rivotra, fa tsy nianjera izany, satria nahorina teo ambony vatolampy.
\v 26 Fa ny rehetra izay mandre ireo teniko ka tsy mankatò azy ireny dia tahaka ny olona adala izay manorina ny tranony eny ambony fasika.
\v 3 Nanatsotra ny tanany Jesosy ary nikasika azy, nanao hoe: “Sitrako. Mahadiova.” Teo no ho eo dia nadio tamin'ny fahabokany izy.
\v 4 Hoy Jesosy taminy hoe: “Aoka mba tsy hilaza na inona na inona na amin'iza na amin'iza ianao. Mandehana amin'ny lalanao, ka asehoy amin'ny mpisorona ny tenanao ary atolory ilay fanatitra izay nodidian'i Mosesy, mba ho fijoroana vavolombelona amin'izy ireo.”
\v 8 Namaly ilay kapiteny ary nanao hoe: “Tompo, tsy mendrika aho ny tokony hidiranao ao ambany tafon-tranoko, teneno fotsiny ny teny dia ho sitrana ny mpanompoko.
\v 9 Fa izaho ihany koa dia lehilahy izay napetraka ao ambany fahefana, ary manana miaramila izay feheziko aho. Miteny amin'ny anankiray aho hoe: ‘Mandehana', dia mandeha izy, ary amin'ny hafa iray hoe: ‘Avia,’ dia manatona izy, ary amin'ny mpanompoko hoe: “Ataovy izao,’ dia ataony izany.”
\v 11 Lazaiko aminareo, fa maro ny avy any atsinanana sy avy any andrefana no ho avy, ary izy ireo dia hipetraka eo an-databatra miaraka amin'i Abrahama, Isaka ary Jakoba, any amin'ny fanjakan'ny lanitra.
\v 12 Fa ireo zanaky ny fanjakana dia hatsipy any ivelan'ny aizina lavitra any, izay hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.”
\v 13 Hoy Jesosy tamin'ilay kapiteny hoe: “Mandehana! Araka ny ninoanao, dia aoka izany ho atao ho anao.” Ary dia sitrana tamin'izany ora izany mihitsy ilay mpanompo.
\v 26 Hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: “Nahoana ianareo no matahotra, ry kely finoana?” Dia nitsangana Izy avy eo ary niteny mafy ny rivotra sy ny ranomasina. Dia nisy fitoniana be avy teo.
\v 34 Indro, nivoaka ireo tao an-tanàna rehetra mba hihaona amin'i Jesosy. Rehefa hitan'izy ireo Izy, dia nangataka Azy mba handao ny faritanin’izy ireo.
\v 4 Fantatr'i Jesosy ny eritreritr'izy ireo ary niteny hoe: “Nahoana ianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo?
\v 5 Fa iza no moramora kokoa no miteny azy hoe: ‘Voavela ny helokao,’ sa ny miteny hoe: ‘mitsangàna ka mandehana?’
\v 6 Fa mba ho fantatrareo fa ny zanak'olona dia manana fahefana hamela heloka eto ambonin'ny tany...” hoy Izy tamin'ilay mararin'ny paralisisa hoe: “Mitsangàna, batao ny fandrianao, ary mandehana any an-tranonao.”
\v 14 Avy eo nanatona azy ireo mpianatr'i Jaona ka niteny hoe: “Nahoana izahay sy ireo fariseo no mifady hanina matetika, fa ireo mpianatrao kosa tsy mba mifady?”
\v 15 Hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: “Mety alahelo ve ireo havan'ny mpampakatra, raha mbola miaraka eo amin'izy ireo ny mpampakatra? Fa ho avy ny andro hangalana ny mpampakatra eo amin'izy ireo, dia amin'izay izy ireo vao hifady hanina.
\v 17 Tsy misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta. Raha manao izany izy ireo, dia ho triatra ny siny hoditra, ho raraka ny divay ary ho potika ny siny hoditra. Fa kosa, manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra vaovao izy ireo, ary ho voatahiry izy roa.”
\v 18 Raha mbola niteny ireo zavatra ireo tamin'izy ireo Jesosy, dia indro, nisy manam-pahefana anankiray tonga ka niankohoka teo aminy. Niteny izy hoe: “Maty izao ankehitriny izao ny zanako vavy, fa tongava ary apetraho eo aminy ny tananao, dia ho velona izy.”
\v 22 Fa nitodika Jesosy ka nahita azy, dia niteny hoe: “Ry zanako vavy, mahereza; ny finoanao no nahasitrana anao.” Ary sitrana ilay vehivavy nanomboka tamin'io ora io.
\v 8 Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ireo boka, ary roahy ireo demonia. Araka ny nahazoanareo maimaimpoana, dia manomeza ihany koa maimaimpoana.
\v 9 Aza mitondra volamena, volafotsy, na varahina ao amin'ny kitapom-bolanareo.
\v 10 Aza mitondra kitapom-batsy amin'izay alehanareo, na fitafy hafa, na kiraro, na tehina, fa ny mpiasa dia mendrika hahazo ny sakafony.
\v 11 Na inona na inona tanàn-dehibe na tanàna kely hidiranareo, tadiavo izay mendrika ao, ary mitoera ao mandra-pialanareo.
\v 12 Raha vao miditra ao amin'ilay trano ianareo, dia miarahabà ny ao. Raha mendrika ilay trano, dia aoka ny fiadananareo ho tonga ao.
\v 13 Fa raha tsy mendrika kosa izany, dia aoka ny fiadananareo hiverina aminareo.
\v 14 Ho an'ireo izay tsy mandray anareo na tsy mihaino ny teninareo, dia ahintsano ny vovoka amin'ny tongotrareo, rehefa miainga amin'izany trano na tanàn-dehibe izany ianareo.
\v 15 Lazaiko marina aminareo, fa ho moramora kokoa ny an'ny tanin'i Sodoma sy Gomora amin'ny andro fitsarana noho izany tanàn-dehibe izany.
\v 16 Indro, handefa anareo toy ny ondry eo afovoan'ny ambodia Aho, koa hendre tahaka ny menarana ary tsy manan-tsiny tahaka ny voromailala.
\v 17 Mitandrema ny amin'ny olona! Hanolotra anareo eo amin'ny filan-kevitra izy ireo, ary hikapoka anareo ao amin'ny sinagogan'izy ireo.
\v 18 Avy eo dia ho entina manoloana ny governora sy ny mpanjaka ianareo nohon'ny Amiko, mba ho vavolombelona ho azy ireo sy ho an'ireo Jentilisa.
\v 19 Rehefa manolotra anareo izy ireo, dia aza manana ahiahy ny amin'ny hoe ahoana na inona no ho lazainareo, fa homena anareo amin'io ora io izay tokony ho lazaina.
\v 20 Fa tsy ianareo no hiteny, fa ny Fanahin'ilay Rainareo no hiteny ao aminareo.
\v 21 Ny rahalahy dia hanolotra ny rahalahy ho amin'ny fahafatesana, ary ny ray dia ny zanany. Ny zanaka dia hitsangana hanohitra ny ray aman-dreniny ka hahatonga ny fahafatesan'izy ireo.
\v 22 Ho halan'ny olon-drehetra ianareo nohon'ny amin'ny anarako. Fa na iza na iza miharitra hatramin'ny farany, dia ho voavonjy izany olona izany.
\v 23 Rehefa manenjika anareo ao amin'io tanàn-dehibe io izy ireo, dia mandosira any amin'ny manaraka, fa lazaiko marina aminareo, fa tsy hahatapitra ireo tanànan'Israely mialohan'ny hatongavan'ny Zanak'Olona ianareo.
\v 24 Ny mpianatra dia tsy lehibe noho ny mpampianany, na ny mpanompo ho ambony noho ny tompony.
\v 25 Ampy ho an'ny mpianatra raha tonga toy ny mpampianany izy, ary ny mpanompo toy ny tompony. Raha nantsoin'izy ireo hoe Belzeboba ny tompon'ny trano, dia ho ratsy lavitra tahaka ny ahoana ireo anarana hiantson'izy ireo ny isam-piankohonana!
\v 27 Izay lazaiko anareo ao amin'ny haizina, dia teneno amin'ny andro mazava, ary izay bitsibitsika renareo amin'ny sofinareo, dia torio eny ambony tampon-trano.
\v 28 Aza matahotra an'ireo izay mamono ny vatana kanefa tsy afaka mamono ny fanahy. Fa kosa, matahora an'izay afaka mamotika ny fanahy sy ny vatana any amin'ny helo.
\v 29 Moa va tsy vola madinika kely no hamarotana fody roa? Fa tsy mbola misy na iray amin'izy ireo aza mianjera amin'ny tany raha tsy misy ny fahalalan'ny Rainareo.
\v 34 Aza mieritreritra fa izaho dia tonga hitondra fiadanana eto an-tany. Tsy tonga mba hitondra fiadanana Aho, fa sabatra.
\v 35 Fa tonga aho hanasaraka ny zanaka lahy amin'ny rainy, sy ny zanaka vavy amin'ny reniny, ary ny vinantovavy amin'ny rafozam-baviny.
\v 36 Ireo izay ao an-tokantranony ihany no ho lasa fahavalon'ny olona.
\v 37 Izay tia kokoa ny ray na reny mihoatra Ahy dia tsy mendrika Ahy; ary izay tia kokoa ny zanaka lahy na ny zanaka vavy mihoatra Ahy dia tsy mendrika Ahy.
\v 38 Izay tsy mandray ny hazofijaliany ka manaraka Ahy dia tsy mendrika Ahy.
\v 39 Izay mamonjy ny ainy dia hahavery izany. Fa izay mahavery ny ainy noho ny amiko dia hahita izany.
\v 40 Izay mandray anareo dia mandray Ahy, ary izay mandray Ahy dia mandray ilay naniraka ahy ihany koa.
\v 41 Izay mandray ny mpaminany satria mpaminany izy dia hahazo ny valisoan'ny mpaminany, ary izay mandray ny olo-marina satria olo-marina izy dia hahazo ny valisoan'ny olo-marina.
\v 42 Na iza na iza manome ny iray amin'ireny madinika indrindra ireny, na dia rano mangatsiaka iray kaopy ho sotroina aza, satria izy mpianatra, dia lazaiko marina aminareo fa, tsy ho very ny valisoany.”
\v 17 ka miteny hoe: ‘Nitsoka sodina ho anareo izahay, fa tsy nandihy inareo. Nanao hira fisaonanana izahay, fa tsy nitomany ianareo.’
\v 18 Fa Jaona dia tsy tonga hihinana mofo na hisotro divay, ka hoy izy ireo hoe: ‘Manana demonia izy.’
\v 19 Ny Zanak'Olona dia tonga hihinana sy hisotro ka hoy izy ireo hoe: ‘Jereo, lehilahy tendan-kanina sy mpimamo izy, naman'ireo mpamory hetra sy ireo mpanota!’ Fa ny fahendrena dia voamarina tamin'ireo asany.”
\v 21 “Loza ho anareo, ry Korazina! Loza ho anareo, ry Betsaida! Raha natao tany Tyra sy Sidona ireo asa mahagaga izay natao teto aminareo, dia efa ela no nibebaka tamin'ny lamba fisaonana sy lavenona izy ireo.
\v 22 Nefa ho moramora kokoa ny an'ny Tyra sy Sidona amin'ny andron'ny fitsarana mihoatra noho ny anareo.
\v 23 Ianareo, ry Kapernaomy, mihevitra ve ianareo fa hasandratra any an-danitra? Tsia, ho entina hidina any amin'ny helo ianareo. Satria raha tany Sodoma no natao ireo asa mahagaga izay natao teto aminareo, dia mbola ho tavela izany mandrak' androany.
\v 27 Ny zavatra rehetra nankinina tamiko dia avy amin'ny Raiko; ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray ary tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka, sy izay fidian'ny Zanaka hanambarana Azy.
\v 28 Mankanesa aty amiko, ianareo rehetra izay miasa sy mitondra mavesatra, dia omeko fitsaharana ianareo.
\v 29 Ento ny ziogako ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena am-po Aho, dia hahita fitsaharana ho an'ireo fanahinareo ianareo.
\v 25 Kanefa fanatatr'i Jesosy ny eritreritr'izy ireo ka niteny azy ireo izy hoe: “Ny fanjakana rehetra miady an-trano dia tsy haharitra, ary ny tanàna na trano rehetra miady an-trano dia ho rava.
\v 31 Noho izany lazaiko aminareo fa, ho voavela heloka ny olona amin'ny fahotaha sy fitenenan-dratsy rehetra, fa ny fitenenan-dratsy amin'ny Fanahy Masina dia tsy hahazoana famelan-keloka.
\v 32 Na iza na iza miteny manohitra ny Zanak'Olona, dia ho voavela izy. Fa na iza na iza miteny manohitra ny Fanahy Masina, dia tsy ho voavela izy, na amin'izao fiainana izao, na amin'izay ho avy.
\v 33 Ataovy tsara ny hazo dia hamoa tsara izany, na ataovy ratsy ny hazo dia hamoa ratsy izany, fa fantatra amin'ny voany ny hazo.
\v 34 Ianareo taranaky ny menarana, satria ratsy fanahy ianareo, koa ahoana no afahanareo miteny zavatra tsara? Fa avy amin'ny haben'ny ao am-po no itenenan'ny vavany.
\v 35 Ny olona tsara avy amin'ny harena tsara ao am-pony dia mamokatra izay tsara, ary ny olon-dratsy avy amin'ny harena ratsy ao am-pony dia mamokatra izay ratsy.
\v 36 Lazaiko aminareo fa amin'ny andron'ny fitsarana dia ho adinina amin'ny teny tsy voahevitra nolazainy avy ny olona.
\v 40 Fa tahaka an'i Jonah izay telo andro sy telo alina tao an-kibon'ny trondro lehibe, dia ho toy izany koa no hitoeran'ny zanak'olona telo andro sy telo alina ao anatin'ny tany.
\v 44 Izany dia milaza hoe: ‘Hiverina any amin'ny tranoko izay nihaviako aho.’ Ary nony tonga, dia nahita fa voafafa ny trano ary nilamina.
\v 45 Avy eo dia nandeha izany ary nitondra fanahy ratsy fito niaraka taminy izay ratsy mihoatra azy, ka niditra nonina tao izy rehetra. Avy eo niha-ratsy noho ny voalohany ny fiafaran'izany lehilahy izany. Ary ho tahaka izany koa ny amin'ity taranaka ratsy fanahy ity.”
\v 2 Nisy vahoaka maro niangona nanodidina Azy, ka dia niditra tao an-tsambokely Izy ary nipetraka tao amin'izany, raha nitsangana teo amoron-dranomasina kosa ny vahoaka rehetra.
\v 12 Satria na iza na iza manana, dia ho be kokoa aza no homena. Fa na iza na iza kosa tsy manana, na izay hananany aza ho esorina aminy.
\v 13 Izany no antony hiresahako amin'izy ireo amin'ny alalan'ny fanoharana: Na dia mijery aza izy ireo, dia tsy mahita; ary na dia mihaino aza izy ireo, dia tsy mandre, na mahazo.
\v 18 Koa mihainoa ary ny fanoharana ny amin'ny mpamboly iray izay namafy ny voany.
\v 19 Rehefa misy mandre ny tenin'ny fanjakana kanefa tsy mahazo izany, dia tonga ilay ratsy ary manongotra izay nafafy tao am-pony. Io ilay voa nafafy teny amoron-dalana.
\v 20 Ilay nafafy teny amin'ny tany be vato dia ny olona izay mandre ny teny ary avy hatrany dia mandray azy am-pifaliana,
\v 21 saingy tsy mbola miorim-paka ao anatiny izy ary dia maharitra vetivety ihany. Rehefa tonga ny fahoriana na ny fanenjehana nohon'ny amin'ny teny, dia malaky tafintohina izy.
\v 22 Ilay nafafy teny amin'ny tsilo, io dia ny olona izay mandre ny teny, saingy ny fiahiahian'izao tontolo izao sy ny fitaky ny harena no mangeja ny teny, ary dia lasa tsy mamoa izy.
\v 44 Ny fanjakan'ny lanitra dia toy ny harena izay miafina ao amin'ny saha iray. Nisy lehilahy nahita izany ary nafeniny. Nandeha tamin'ny hafaliany izy, nivarotra izay rehetra nananany, ary nividy io saha io.
\v 47 Ary koa, ny fanjakan'ny lanitra dia toy ny harato izay natsipy tany an-dranomasina, ary nanangona ireo karazan-java-manan'aina rehetra.
\v 48 Rehefa feno izany, dia nosintonin'ireo mpanarato ho eo amoron-dranomasina. Avy eo izy ireo nipetraka ka nanangona ireo zavatra tsara ho ao amin'ny fitoerany, fa ireo zavatra tsy ilaina kosa narian'izy ireo.
\v 49 Ho toy izany amin'ny fiafaran'izao tontolo izao. Ho avy ireo anjely ary hanasaraka ireo ratsy fanahy amin'ireo marina.
\v 50 Ho atsipin'izy ireo ao amin'ny fandoroana lehibe mirehitra afo izy ireo, izay hisy ny fitomaniana sy fikitroha-nify.
\v 6 Fa rehefa tonga ny fitsingerenan'ny andro nahaterahan'i Heroda, dia nandihy teo afovoan'ireo vahiny nasaina ny zanaka vavin'i Herodiasy ka nahafinaritra an'i Heroda.
\v 7 Ho setrin'izany, dia nampanantena tamin'ny fianianana izy ny hanome izay hangatahiny na inona na inona.
\v 9 Nalahelo mafy nohon'ny fangatahany ny mpanjaka, saingy nohon'ny voadiny sy noho ireo rehetra nisakafo niaraka taminy, dia nanome baiko izy fa tokony ho vita izany.
\v 10 Naniraka ka nanapaka ny lohan'i Jaona tao an-tranomaizina izy.
\v 11 Avy eo nentina tamin'ny lovia ny lohany ary nomena ilay zazavavy ary nentiny teo amin'ny reniny izany.
\v 12 Avy eo dia tonga ireo mpianany, naka ilay faty, ary nandevina izany. Taorian'izany, dia nandeha izy ireo ary nilaza tamin'i Jesosy.
\v 31 Avy hatrany Jesosy dia naninjitra ny tànany, nihazona an'i Petera, ary niteny taminy hoe: “Ianao ry kely finoana, fa maninona ianao no niahiahy?”
\v 5 Fa ianareo miteny hoe: ‘Na iza na iza milaza amin'ny rainy na reniny hoe: “Na inona na inona fanampiana izay azonareo avy amiko dia fanomezana ho an'Andriamanitra ankehitriny,’”
\v 6 izany olona izany dia tsy mila manaja ny rainy. Amin'izany fomba izany dia nofoananareo ny tenin'Andriamanitra nohon'ny tombontsoan'ireo fomban-drazanareo.
\v 7 Ry mpihatsaravelatsihy! Marina ny faminanian'Isaia momba anareo raha nilaza izy hoe:
\v 17 Tsy hitanao va fa izay miditra amin'ny vava dia mankao an-kibo ary avy eo dia havoaka any amin'ny lava-piringy?
\v 18 Fa ireo zavatra izay aloaky ny vava dia avy amin'ny fo. Ireo zavatra ireo no mandoto ny olona iray.
\v 19 Fa avy amin'ny fo no ivoahan'ny sain-dratsy, ny vono olona, ny fijangajangana, ny fakam-badin'olona, ny halatra, ny fijoroana vavolombelona tsy marina, ary ny fitenenan-dratsy.
\v 28 Dia namaly Jesosy ary niteny taminy hoe: “Ravehivavy, lehibe ny finoanao; ho tanteraka aminao anie izany araka izay irinao.” Dia sitrana ny zanany vavy tamin'izany ora izany.
\v 29 Niala teo Jesosy ka nankeny akaikin'ny ranomasin'ny Galilia. Avy eo dia niakatra teny an-tendrombohitra iray Izy ka nipetraka teo.
\v 30 Vahoaka maro no nanatona Azy. Noentin'izy ireo niaraka tamin'izy ireo ny mandringa, ny jamba, ny moana, ny kilemaina, ary marary maro hafa koa. Napetrak'izy ireo teo an-tongotr'i Jesosy ireo; ka dia nositraniny.
\v 31 Koa dia talanjona ny vahoaka raha nahita ireo moana miteny, ny kilemaina sitrana, ny malemy afaka mandeha, ary ny jamba mahiratra. Nankalaza ny Andriamanitr'Israely izy ireo.
\v 35 Avy eo Jesosy nandidy ny vahoaka mba hipetraka amin'ny tany.
\v 36 Nandray ny mofo fito mbamin'ny hazandrano Izy, ary rehefa nisaotra, dia namaky ny mofo ka nanolotra ireo ho an'ireo mpianatra. Ireo mpianatra nanome ho an'ny vahoaka.
\v 37 Nihinana ka afa-po ny vahoaka rehetra. Avy eo izy ireo nanangona sobika fito feno sombintsombiny izay tsy lany.
\v 38 Ireo izay nihinana dia efatra arivo lahy, tsy ao anatiny ny zaza amam-behivavy.
\v 2 Fa Izy namaly ary niteny azy ireo hoe: “Rehefa hariva, dia hoy ianareo hoe: ‘Ho tsara ny andro, fa mena ny lanitra.’
\v 3 Rehefa maraina, dia hoy ianareo hoe: ‘Ho ratsy ny andro, fa mena sy manjombona ny lanitra.’ Hainareo ny mamantatra ny endriky ny lanitra, fa ianareo tsy afaka mandika ireo famantarana ny fotoana.
\v 4 Ny taranaka ratsy sy mpijangajanga dia mitady famantarana, fa tsy hisy famantarana homena azy ankoatra ny famantaran'i Jona.” Avy eo Jesosy nandao azy ireo ka lasa.
\v 12 Avy eo azon'izy ireo fa tsy hitandrina amin'ny masirasiran'ny mofo no nolazainy azy ireo, fa hitandrina ny amin'ny fampianaran'ireo Fariseo sy Sadoseo.
\v 17 Namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: “Sambatra ianao, ry Simona Bar-Jona, fa tsy ny nofo sy rà no naneho izany taminao, fa ny Raiko izay any an-danitra.
\v 18 Lazaiko aminao ihany koa fa ianao no Petera, ary ambonin'ity vatolampy ity no hanorenako ny fiangonako. Ny vavahadin'ny fasana dia tsy haharesy izany.
\v 19 Homeko anareo ny fanalahidin'ny fanjakan'ny lanitra. Na inona na inona fehezinao eto ambonin'ny tany dia ho fehezina any an-danitra, ary na inona na inona vahanao ety an-tany dia ho vahana any an-danitra.”
\v 21 Tamin'izany fotoana izany Jesosy nanomboka niteny ireo mpianany fa tsy maintsy ho any Jerosalema Izy, hizaka fijaliana maro eo an-tanan'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona ary ireo mpanora-dalàna, ho vonoina, sy hatsangana indray amin'ny andro fahatelo.
\v 23 Fa Jesosy nitodika ka niteny tamin'i Petera hoe: “Mialà any ivohoko, ry Satana! Ianao dia fanafintohinana ho Ahy, noho ianao tsy miraharaha ireo zavatr'Andriamanitra, fa ireo zavatrin'ny olona.”
\v 25 Fa na iza na iza te-hamonjy ny ainy dia hahavery azy, ary na iza na iza no hahavery ny ainy nohon'ny amiko, dia hahazo izany.
\v 26 Fa inona moa no soa ho azon'ny olona raha mahazo izao tontolo izao kanefa very ny ainy? Inona no omen'ny olona ho takalon'ny ainy?
\v 27 Fa ny Zanak'Olona dia ho avy amin'ny voninahitry ny Rainy miaraka amin'ireo anjeliny. Avy eo Izy hamaly soa ny olona tsirairay araka izay vitany.
\v 28 Lazaiko marina aminareo, fa misy sasany aminareo izay mijoro eto no tsy hitsapa ny fahafatesana mandrapahitan'izy ireo ny Zanak'Olona tonga amin'ny fanjakany.”
\v 4 Namaly Petera ary nanao tamin'i Jesosy hoe: “Tompo, tsara amintsika ny eto. Raha sitrakao, dia hanao fialofana telo ho antsika eto aho - iray ho anao, iray ho an'i Mosesy, ary iray ho an'i Elia.”
\v 9 Raha nidina ny tendrombohitra izy ireo, dia nandidy azy ireo Jesosy, nanao hoe: “Aza mitatitra izao fahitana izao na amin'iza na iza mandra-pitsangan'ny Zanak'Olona amin'ny maty.”
\v 20 Jesosy niteny azy ireo hoe: “Noho ny finoana kelinareo. Fa lazaiko marina aminareo, raha manana finoana na dia kely toy ny voatsinampy aza ianareo, dia afaka miteny amin'ity tendrombohitra ity ianareo hoe: ‘Mifindrà avy eto ho etsy,’ dia hifindra izany ary tsy hisy na inona na inona tsy ho hainareo atao.
\f + \ft Fanamarihana: Ny dikan-teny taloha tsara indrindra dia tsy ahitana ny hoe v. 21. “Fa ity karazana demonia ity dia tsy mivoaka raha tsy miaraka amin'ny vavaka sy fifadian-kanina.” \f*
\v 24 Rehefa tonga tany Kaperinaomy izy ireo, dia nankeo aminí Petera ireo lehilahy izay nanangona ny hetra atsasaky ny sekely ary niteny hoe: “Tsy mandoa ny hetra atsasaky ny sekely ve ny mpampianatrareo?”
\v 25 Hoy izy hoe: “Eny.” Fa rehefa niditra tao an-trano Petera, dia Jesosy aloha no niresaka taminy ka nanao hoe: “Inona no eritreritrao, ry Simona? Ireo mpanjaka eto an-tany, avy amin'iza no andraisan'izy ireo hetra na hetran'olona? Avy amin'ireo vahoakany va sa avy amin'ireo vahiny?”
\v 27 Fa mba tsy hampanotantsika ny mpamory hetra, dia mandehana any amin'ny ranomasina, manipàza fitana ao, ary alaivo ny trondro izay miakatra voalohany. Rehefa voasokatrao ny vavany, dia hahita sekely ianao. Alaivo izany ary omeo ireo mpamory hetra ho Ahy sy ho anao.”
\v 3 ary niteny hoe: “Lazaiko marina aminareo, fa raha tsy miova toy ireo ankizy kely ianareo, dia tsy hisy hevitra ny hidiranareo any amin'ny fanjakan'ny lanitra.
\v 6 Fa na iza na iza mahatonga ny iray amin'ireto ankizy kely ireto izay mino Ahy hanota, dia ho tsara kokoa ho azy ny hiantonan'ny fikosoham-bary lehibe eo amin'ny vozony, ka halentika any amin'ny ranomasina lalina izy.
\v 7 Loza ho an'izao tontolo izao nohon'ny fotoanan'ny fanafintohinana! Fa ilaina ny ahatongavan'izany fotoana izany, nefa loza ho an'ny olona izay niavian'izany fotoana izany!
\v 8 Raha miteraka fanafintohina ho anao ny tananao na ny tongotrao, dia tapaho izany ary esory eo aminao. Tsara kokoa ho anao ny miditra kilemaina na mandringa any amin'ny fiainana mandrakizay noho ny ho very any amin'ny afo tsy mety maty amin'ny fanana tanana roa na tongotra roa.
\v 9 Raha miteraka fanafintohinana ho anao ny masonao iray, hongoty izany ary esory eo aminao. Tsara kokoa ho anao ny miditra any amin'ny fiainana mandrakizay miaraka amin'ny maso ila noho ny hoe very any amin'ny afo tsy mety maty miaraka amin'ny maso roa.
\v 10 Tandremo tsy hanao tsinotsinona ireo ankizy madinika ireo ianareo. Fa milaza aminareo Aho fa any an-danitra ireo anjeliny dia mijery foana ny endriky ny Raiko izay any an-danitra.
\f + \ft Fanamarihana: Ny dikan-teny taloha tsara indrindra dia tsy ahitana ny fehezanteny izay miseho toy ny v. 11. hoe: “Fa ny Zanak'Olona dia tonga mba hamonjy izay very.” \f*
\v 12 Inona no eritreritrareo? Raha misy manana manana ondry zato, ka mankany amin'ny lalan-diso ny iray amin'izy ireo, dia tsy handao ny sivy amby sivifolo eo amin'ny avoana va izy ary andeha hikaroka ilay iray izay nankany amin'ny lalan-diso?
\v 13 Raha hitany izany, dia lazaiko marina aminareo, fa mifaly amin'izany mihoatra noho ireo sivy amby sivifolo izay tsy nankany amin'ny lalan-diso izy.
\v 14 Toy izany ihany koa, tsy sitraky ny Rainareo any an-danitra ny hahavery ny iray amin'ireo madinika ireo.
\v 15 Raha manota aminao ny rahalahinao, mandehana ary lazao azy ny hadisoany, aminao sy izy irery ihany. Raha mihaino anao izy, dia hifankahazo amin'ny rahalahinao indray ianao.
\v 16 Kanefa raha tsy mihaino anao izy, dia mangalà iray na roa hafa miaraka aminao, amin'izay mba amin'ny vavan'ireo vavolombelona roa na telo no ahafahana manamarina ny teny rehetra.
\v 17 Ary raha mandà ny hihaino azy ireo izy, dia lazao amin'ny fiangonana ny zava-mitranga. Raha tsy manaiky hiaino ny fiangonana ihany koa izy, dia avelao izy ho toy ny Jentilisa sy ny mpamory hetra.
\v 18 Lazaiko marina aminareo, na inona na inona fehezinareo ety an-tany dia ho fehezina any an-danitra; ary na inona na inona avelanareo eto an-tany dia ho voavela any an-danitra.
\v 19 Dia mbola lazaiko aminareo indray hoe: “Raha misy roa aminareo manaiky eto an-tany ny amin'izay rehetra angatahan'izy ireo, dia ho atao ho azy ireo izany amin'ny alalan'ny Raiko izay any an-danitra.
\v 20 Fa na aiza misy roa na telo miara-mivory amin'ny Anarako, dia eo afovoan'izy ireo eo Aho.”
\v 23 Noho izany ny fanjakan'ny lanitra dia mitovy amin'ny mpanjaka iray izay te hifandamina ara-bola miaraka amin'ireo mpanompony.
\v 24 Raha vao nanomboka ny fandaminana izy, dia nisy mpanompo iray nentina teo aminy izay nananany talenta iray alina.
\v 25 Nefa satria tsy nanana fomba handoavana izany izy, dia nandidy ny hamarotana azy ny tompony, miaraka amin'ny vadiny sy ireo zanany ary izay hananany rehetra, ka ho vita ny fandoavan-trosa.
\v 8 Hoy Izy tamin'ireo hoe: “Fa ny hamafisam-ponareo no namelan'i Mosesy anareo hisaraka amin'ny vadinareo, fa tamin'ny voalohany dia tsy izany no fomba.
\v 9 Lazaiko anareo, na iza na iza misaraka amin'ny vadiny, afa-tsy nohon'ny fijangajangana, ka manambady hafa, dia manitsakitsa-bady; ary ny lehilahy manambady vehivavy izay efa nisara-bady dia mijangajanga.”
\v 17 Jesosy niteny taminy hoe: “Nahoana ianao no manontany momba izay tsara aty amiko? Iray ihany no tsara, fa raha te-hididtra any amin'ny fiainana ianao, dia tandremo ireo didy.”
\v 23 Hoy Jesosy tamin'ireo mpianatra hoe: “Lazaiko marina aminareo, sarotra ho an'ny mpanakarena ny hiditra ny fanjakan'ny lanitra.
\v 24 Ary mbola lazaiko aminareo indray, mora kokoa ho an'ny rameva ny miditra amin'ny vodim-panjaitra noho ny idiran'ny mpanakarena ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra.”
\v 18 “Indro, hiakatra ho any Jerosalema isika, ary ny Zanak'Olona dia hatolotra eo amin'ny lohan'ny mpisorona sy ireo mpanora-dalàna. Izy ireo dia hanameloka Azy ho faty
\v 19 ary hanolotra Azy amin'ireo Jentilisa mba hiomehezana, ho kapohina, ary hanombohana Azy amin'ny hazofijaliana. Fa amin'ny andro fahatelo dia hatsangana indray Izy.”
\v 21 Hoy Jesosy taminy hoe: “Inona no irinao?” Hoy izy taminy hoe: “Mandidia mba hipetrahan'ireto zanako roa lahy ireto, ny iray eo an-tananao ankavana ary ny iray eo an-tananao ankavia, ao amin'ny fanjakanao.”
\v 22 Fa Jesosy namaly ary niteny hoe: “Tsy fantatrareo ny zavatra angatahinareo. Afaka ny hisotro ny kapoaka izay ho sotroiko va ianareo?” Namaly izy ireo hoe: “Afaka izahay.”
\v 23 Hoy Izy tamin'izy ireo hoe: “Hisotro ny kapoakako tokoa ianareo. Fa ny hipetraka eo an-tanako ankavanako sy ankaviako dia tsy anjarako no manome, fa an'ireo izay efa nomanin'ny Raiko.”
\v 26 Fa tsy tokony ho toy izany ny aminareo. Mifanohitra amin'izany, na iza na iza maniry ny ho lasa lehibe aminareo dia tsy maintsy ho mpanomponareo,
\v 27 ary na iza na iza maniry ny ho voalohany eo aminareo dia tsy maintsy ho mpanomponareo,
\v 2 nilaza tamin'izy ireo hoe: “Mandehana ao amin'izay vohitra manaraka ao, fa eo no eo ianareo dia hahita boriky mifatotra ary zana-boriky iray miaraka aminy. Vahao izy ireo ary hoento aty amiko.
\v 3 Raha misy miteny anareo momba izany, dia lazao hoe: ‘Misy ilan'ny Tompo azy ireo,’ ary eo no eo izany olona izany dia handefa azy ireo miaraka aminareo.”
\v 12 Avy eo niditra tao an-tempoly Jesosy. Noroahiny avokoa ireo mpividy sy mpivarotra tao an-tempoly, ary navadiny ny latabatr'ireo mpanakalo vola sy ny fipetrahan'ireo mpivarotra voromailala.
\v 15 Fa nony nahita ny zava-mahagaga nataony ny lehiben'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ary rehefa ren'izy ireo ny zaza madinika nitabataba tao an-tempoly hoe: “Hosana ho an'ny zanak'i Davida,” dia tezitra mafy izy ireo.
\v 16 Hoy izy ireo taminy hoe: “Renareo va izany lazain'ireo olona ireo?” Namaly azy ireo Jesosy hoe: “Eny! Fa tsy mbola novakianareo mihitsy ve ny hoe: ‘Avy amin'ny vavan'ny zaza madinika sy ny zaza minono no nandavorarianareo ny fiderana?”
\v 21 Namaly Jesosy ary nilaza azy ireo hoe: “Lazaiko marina aminareo, raha manam-pinoana sy tsy misy fisalasalana ianareo, dia tsy izay natao tamin'io aviavy io ihany no hataonareo, fa na dia hiteny amin'ity tendrombohitra ity aza hoe: ‘miongota ary mianjerà any an-dranomasina', dia ho atao izany.
\v 22 Na inona na inona angatahinareo am-bavaka, am-pinoana, dia ho azonareo.”
\v 23 Nony niditra tao an-tempoly Jesosy, dia nanatona Azy ny lehiben'ny mpisorona sy ny zokiolona raha nampianatra Izy ary niteny hoe: “Fahefana avy aiza moa no anaovanao ireny zavatra ireny, ary iza no nanome anao izany fahefana izany?”
\v 26 Fa raha miteny isika hoe: ‘Avy tamin'ny olombelona', mataotra ny vahoaka isika, satria izy rehetra dia mihevitra an'i Jaona tahaka ny mpaminany.” Ka namaly an'i Jesosy izy ireo ka niteny hoe: “Tsy fantatray.”
\v 32 Fa Jaona nanatona anareo tamin'ny fahamarinana, fa tsy nino azy ianareo. Fa ireo mpamory hetra sy mpivaro-tena nino azy. Fa ianareo, na dia nahita izany aza, dia tsy nibebaka sy tsy nino azy.
\v 38 Fa rehefa nahita ilay zanaka lahy ireo mpamboly voaloboka, dia nifampiresaka izy ireo hoe: ‘Ity no mpandova. Andeha, ho vonointsika izy ary ho alaintsika ny lova.’
\v 4 Nandefa ireo mpanompony hafa indray ny mpanjaka, manao hoe: ‘Ilazao ireo izay nasaina hoe: “Jereo, efa nokarakaraiko ny sakafoko. Efa novonoina ny omby sy ny zanak'omby mifahiko, ary efa vonona ny zava-drehetra. Tongava ao amin'ny lanonam-pampakaram-bady.’”
\v 10 Nandeha nivoaka tany amin'ny lalan-dehibe ireo mpanompo ary nanambatra ny olona rehetra izay hitan'izy ireo, na ny tsara na ny ratsy. Noho izany dia feno vahiny ilay efi-trano lehibe nisy ny fampakaram-bady.
\v 11 Fa rehefa niditra ny mpanjaka mba hijery ireo vahiny, dia nahita lehilahy tsy nitafy akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady izy.
\v 12 Niteny taminy ny mpanjaka hoe: ‘Ry sakaiza, ahoana no idiranao ato tsy miaraka amin'ny fitafy fitondra amin'ny fampakaram-bady?’ Fa tsy nahateny ilay lehilahy.
\v 13 Avy eo niteny tamin'ireo mpanompony ny mpanjaka hoe: ‘Fehezo ny tanana sy ny tongotr'ity lehilahy ity, ary atsipazo any amin'ny maizina any ivelany izy, any no misy fitomaniana sy fikotroha-nify.’
\v 32 ‘Izaho no Andriamanitr'i Abrahama, Andriamanitr'Isaka, ary Andriamanitr'i Jakoba'? Andriamanitra dia tsy Andriamanitry ny maty, fa an'ny velona.”
\v 3 Noho izany na inona na inona handidian'izy ireo anareo ho atao, dia ataovy ireny zavatra ireny ka mitandrema azy ireo. Fa aza alaina tahaka ny asan'izy ireo, satria izy ireo dia miteny zavatra nefa avy eo tsy manao izany.
\v 4 Eny, fehezin'izy ireo ny enta-mavesatra izay sarotra entina, ary avy eo dia apetrak'izy ireo eo amin'ny soroky ny olona. Fa tsy hanetsika ny ratsan-tanana iray akory ny tenan'izy ireo mba hitondra azy ireo.
\v 5 Manao ny asany rehetra izy ireo mba ho hitan'ny olona. Fa ataon'izy ireo malalaka ny filakiterany, ary itarin'izy ireo ny moron'akanjony.
\v 6 Tian'izy ireo ny toeran'ny manan-kaja any amin'ny fanasana sy ny toeran'ny lehibe ao amin'ny synagoga,
\v 13 Fa lozanareo, ry mpanora-dalàna sy fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa arindrinareo amin'ny olona ny fanjankan'ny lanitra. Fa ianareo tsy mampiditra ny tenanareo, ary tsy avelanareo ireo izay mitady hiditra.
\f + \ft Fanamarihana: Ny antotan-taratasy taloha dia tsy ahitana ny fehezanteny hoe: ‘Fa lozanareo, ry mpanora-dalàna sy ny fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa mandany ny tranon'ny mpitondra tena, ary manao vavaka lavareny ianareo. Noho izany dia hahazo fanamelohana lehibe ianareo.’ \f*
\v 15 Lozanareo, ry mpanora-dalàna sy fariseo, mpiatsaravelatsihy! Fa mandeha mitety ny ranomasina sy ny tany ianareo mba hampiova fo ny olona iray, ary rehefa miova izy, dia ataonareo ny zanaky ny helo avo roa heny mihoatra noho ianareo izy.
\v 16 Lozanareo, ry mpitarika jamba, ianareo izay milaza hoe: ‘Na iza na iza mianiana amin'ny tempoly, dia tsy misy dikany izany. Fa na iza na iza mianiana amin'ny volamenan'ny tempoly, dia voafatotry ny fianianany izy.’
\v 18 Ary, ‘Na iza na iza mianiana amin'ny alitara, dia tsy misy dikany izany. Fa na iza na iza mianiana amin'ny fanatitra izay eo ambonin'izany, dia voafatotry ny fianianany izy.’
\v 23 Lozanareo, ry mpanora-dalàna sy fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa mandoa ny fahafolon'ny solila sy ny aneta ary ny komina ianareo, fa ianareo dia tsy nankatoa ny raharaha mavesa-danja indrindra amin'ny lalàna- dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana. Fa ireo no tokony nataonareo ary tsy tokony navelanareo ho tsy vita ny iray hafa.
\v 24 Ianareo ry mpitarika jamba, ianareo izay manivana ny lalitra nefa mitelina rameva!
\v 25 Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa diovinareo ny ivelan'ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatiny dia feno fitsiriritana sy filana.
\v 26 Ianareo ry fariseo jamba! Diovy aloha ny ao anatin'ny kapoaka sy ny lovia, mba ho lasa madio ihany koa ny ivelany.
\v 27 Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa ianareo dia tahaka ny fasana voalalotra fotsy; izay tsara ivelany, fa ny ao anatiny kosa dia feno ny taolam-paty sy ny loto rehetra.
\v 28 Toy izany ihany koa, ety ivelany ianareo miseho ho marina eo amin'ny olona, nefa ny ao anatinareo dia feno fihatsaram-belatsihy sy heloka.
\v 29 Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa manorina ny fasan'ny mpaminany ianareo ary manaingo ny fasan'ny olo-marina.
\v 31 Noho izany dia mijoro vavolombelona amin'ny tenanareo ianareo fa zanak'ireo izay namono ny mpaminany.
\v 32 Ianareo ihany koa dia nahafeno ny fahotan'ireo razambenareo
\v 33 Ianareo ry bibilava, ianareo ry taranaky ny menarana, ahoana no handosiranareo ny fanamelohana ho any amin'ny helo?
\v 34 Noho izany, indro, maniraka mpaminany sy olon-kendry ary mpanora-dalàna ho anareo Aho. Ny sasany amin'izy ireo dia ho vonoinareo sy hombohanareo; ary ny sasany ho kapohinareo ao amin'ny synagoganareo ary handroaka azy hiala ao an-tanàna.
\v 35 Ny vokatr'izany dia hanody anareo ny rà marina rehetra izay nalatsaka teto an-tany, nanomboka tamin'ny ràn'i Abela marina, ka hatramin'ny ràn'i Zakaria zanak'i Barakia, izay novonoinareo teo anelanelan'ny fitoerana masina sy ny Alitara.
\v 36 Lazaiko marina aminareo, fa ny zavatra rehetra dia ho tonga amin'ity taranaka ity.
\v 37 Ry Jerosalema, ry Jerosalema, ianao izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina ho aminao! Impiry Aho no maniry ny hanangona ny zanakao miaraka, tahaka ny akoho vavy iray manangona ny akoho kely ao ambany elany, nefa tsy nety ianareo!
\v 38 Indro, ny tranonareo no avela ho lao ho anareo.
\v 3 Raha nipetraka teo an-tendrombohitr'Oliva Izy, dia nanatona Azy mangingina ireo mpianany ary niteny hoe: “Lazao anay, rahoviana ireo zavatra rehetra ireo no hitranga? Inona no famantarana ny fahatongavanao sy ny fara-andro?”
\v 9 Ka ho atolotr'izy ireo ho amin'ny fahoriana ianareo ary ho vonoiny. Ho halan'ny firenena rehetra ianareo nohon'ny anarako.
\v 10 Ary maro ny ho tafintohina, ary hifamadika sy hifankahala ny tsirairay.
\v 11 Mpaminany sandoka maro no hitsangana ka hamitaka olona maro.
\v 12 Satria ny faharatsiana dia hitombo, ary hihamangatsika ny fitiavan'ny maro.
\v 13 Fa ilay iray izay miharitra hatramin'ny farany dia ho voavonjy.
\v 14 Ity filazantsaran'ny fanjakana ity dia ho toriana erak'izao tontolo izao ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra. Avy eo dia ho tonga ny farany.
\v 15 Noho izany, raha mahita ny fahavetavetan'ny fandravana ianareo, izay nolazain'i Daniela mpaminany, dia hitsangana eo amin'ny toerana Masina ianareo" (aoka ny mpamaky hahatakatra),
\v 24 Fa ny Kristy sandoka sy ny mpaminany sandoka dia ho avy ary hampiseho fahamatrana lehibe sy zava-mahagaga, mba hamitaka, raha azo atao, eny fa na ireo olom-boafidy aza.
\v 26 Noho izany, raha miteny anareo izy ireo hoe: ‘indro, any an-efitra izy,’ dia aza makany an-efitra. Na hoe ‘indro, any anaty efitrano izy' dia aza mino izany.
\v 29 Ary raha vao afaka ny fahoriana amin'ireo andro ireo dia ho maizina ny masoandro, tsy hanome ny hazavany ny volana, hilatsaka avy any an-danitra ny kintana, ary hihozongozona ny herin'ny lanitra.
\v 30 Avy eo dia hiseho eny amin'ny lanitra ny famantaran'ny Zanak'Olona, ary ny foko rehetra ambonin'ny tany hisaona. Hahita ny Zanak'Olona tonga amin'ny rahon'ny lanitra miaraka amin'ny hery sy voninahitra lehibe Izy ireo.
\v 31 Handefa ireo anjeliny Izy miaraka amin'ny feo trompetra mafy, ary hanangona ny olom-boafidiny avy any amin'ny vazan-tany efatra izy ireo, manomboka amin'ny faravodilanitra ka hatrany amin'ny hafa.
\v 32 Mianara ny lesona avy amin'ny aviavy. Raha vantany vao matoy ny sampana ary mamoaka ny raviny, dia fantatrareo fa manakaiky ny fahavaratra.
\v 33 Toy izany ihany koa, raha mahita izany zavatra rehetra izany ianareo, dia tokony ho fantatrareo fa efa akaiky Izy, eo amin'ireo vavahady mihitsy.
\v 34 Lazaiko marina aminareo, fa tsy ho lany ity taranaka ity mandra-pisehon'izany rehetra izany.
\v 35 Tsy hisy intsony ny lanitra sy ny tany, fa ny teniko dia tsy mba ho levona mandrakizay.
\v 36 Kanefa ny mahakasika izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na ny Anjelin'ny lanitra aza, na ny Zanaka lahy, fa ny Ray ihany.
\v 37 Toy ny tamin'ny andron'i Noa, dia tahaka izany ihany koa ny fihavian'ny Zanak'Olona.
\v 38 Fa toy ny tamin'ireo andro mialohan'ny safo-drano dia nihinana sy nisotro izy ireo, nanambady sy nampakarina mandra-pahatongan'ilay andro nidiran'i Noa tao anatin'ilay sambo fiara,
\v 39 ary tsy nahafantatra na inona na inona izy ireo mandra-pahatongan'ny safo-drano ka nandringana azy rehetra- dia tahak'izany ny fihavian'ny Zanak'Olona.
\v 40 Avy eo hisy lehilahy roa eny an-tsaha - ny iray ho raisina, ary ny iray ho avela.
\v 41 Vehivahy roa no hitoto vary- ny iray ho raisina, ary ny iray ho avela.
\v 42 Noho izany dia miambena, fa tsy fantatrareo izay andro hiavian'ny Tomponareo
\v 43 Fa fantaro izao, raha fantatry ny tompon-trano hoe amin'ny firy alina no hiavian'ny mpangalatra, dia ho niambina izy ary tsy namela ny tranony ho vaky.
\v 44 Noho izany dia tsy maintsy mivonona ihany koa ianareo, fa ho avy ny Zanak'Olona amin'ny ora tsy ampoizinareo.
\v 8 Hoy ireo adala tamin'ireo hendry hoe: “Mba omeo ampahany amin'ny solikareo izahay fa efa ho faty ny jironay.
\v 9 Fa namaly ireo hendry ka niteny hoe: “Sao dia tsy ho ampy ho anay sy ho anareo, fa mandehana kosa any amin'ireo mpivarotra ka mividiana ho an'ny tenanareo.”
\v 10 Raha nandeha nividy izy ireo, dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa vonona dia niara-nandeha taminy ho ao amin'ny fanasam-panambadiana, ka nihidy ny vavahady.
\v 27 Noho izany dia tokony nomenao ny mpanjana-bola ny volako, ka rehefa niverina aho dia nandray ny ahy miaraka amin'ny tombony.
\v 28 Noho izany alaivo any aminy ny talenta ary omeo ho an'ilay mpanompo izay manana talenta folo izany.
\v 29 Fa izay rehetra manana dia homena be kokoa- mihoatra lavitra aza. Fa ho an'ireo izay tsy manana na inona na inona kosa, na izay hananany aza dia ho esorina aminy.
\v 30 Ario any amin'ny maizina any ivelany ny mpanompo tsy mendrika, any no misy ny fitomaniana sy ny fikitroha- nify.
\v 31 Ka rehefa tonga amin'ny voninahiny ny Zanak'Olona sy ny anjely rehetra miaraka Aminy, dia hipetraka eo amin'ny seza fihandrihanan'ny voninahiny Izy.
\v 32 Ary ny firenena rehetra dia hangonina eo anatrehany, ary hanavaka ny olona iray amin'iray hafa Izy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin'ny osy.
\v 33 Hametraka ny ondry ho eo ankavanany izy, fa ny osy eo ankaviany.
\v 44 Ary dia hamaly koa izy ireo ka hiteny hoe: ‘Tompo! Oviana izahay no nahita Anao noana, na nangetaheta, na nivahiny, na nitanjaka, na narary, na tany am-ponja, ka tsy nanompo Anao?
\v 13 Lazaiko marina aminareo, na aiza na aiza hitoriana ny filazantsara eto amin'izao tontolo rehetra izao, izay nataon'ity vehivavy ity dia ho lazaina ihany koa ho fahatsiarovana azy.”
\v 29 Fa lazaiko aminareo, fa tsy mba hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho, mandra-pihavin'ny fisotroana vaovao hiarahako aminareo any amin'ny fanjakan'ny Raiko.”
\v 31 Avy eo hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: “Ianareo rehetra dia handao Ahy nohon'ny amiko anio alina, fa voasoratra hoe: ‘Hamely ny mpiandry ondry Aho dia hiparitaka ny ondry.’
\v 32 Fa aorian'ny fitsanganako amin'ny maty, dia hialoha lalana anareo any Galilia.”
\v 42 Mbola nandeha fanindroany Izy ary nivavaka. Hoy Izy hoe: “Ry Raiko, raha toa tsy azo esorina amiko ity raha tsy misotro Aho, dia ho atao anie ny sitraponao.”
\v 45 Avy eo Jesosy nanatona ireo mpianatra ka nanao tamin'izy ireo hoe: “Mbola matory sy miala sasatra va ianareo? Jereo, efa akaiky ny ora, ary ny Zanak'Olona dia hatolotra eo an-tanan'ireo mpanota.
\v 64 Jesosy namaly azy hoe: “Voalazanao. Fa lazaiko aminareo, manomboka izao dia ho hitanareo ny Zanak'Olona hipetraka eo an-tanana ankavanan'ny Hery, ary ho tonga eo amin'ny rahon'ny lanitra.”
\v 65 Avy eo ny mpisoronabe nandrovitra ny ankanjony ary nilaza hoe: “Niteny ratsy Izy! Nahoana isika no mbola mila mpijoro vavolombelona? Indro, renareo ny fitenenan-dratsy izao.
\v 66 Inona no hevitrareo?” Namaly izy ireo ary nanao hoe: “Mendrika ny ho faty Izy.”
\v 40 ary nanao hoe: “Ianao izay handrava ny tempoly ary hanamboatra izany indray ao anatin'ny telo andro, vonjeo ny tenanao! Raha Ianao no Zanak'Andriamanitra, midinà avy eny amin'ny hazofijaliana!”
\v 42 “Nanavotra ireo hafa Izy, fa tsy afaka manavotra ny tenany. Izy no mpanjakan'Israely. Avelao Izy hidina eny amin'ny hazofijaliana, ary dia hino Azy isika.
\v 43 Natoky an'Andriamanitra Izy, avelao Andriamanitra hamonjy Azy izao, raha mankasitraka ny hanafaka Azy Andriamanitra. Fa na Izy aza dia niteny hoe: ‘Izaho no Zanak'Andriamanitra.’”
\v 48 Teo no eo dia nihazakazaka ny iray tamin'izy ireo ary naka spaonjy, namonto izany tamin'ny vinaingitra, nametraka izany tamin'ny tohitohina bararata, ary nanome izany Azy mba ho sotroina.
\v 63 Hoy izy ireo hoe: “Tompoko, tadidinay fa tamin'ny mbola velona iny mpamitaka iny, dia hoy Izy hoe: ‘Aorian'ny telo andro, dia hitsangana indray Aho.’
\v 64 Ka noho izany, mandidia mba ho ambenana ny fasana hatramin'ny andro fahatelo, raha tsy izany ireo mpianany mety ho avy ary hangalatra Azy dia hiteny amin'ny olona hoe: ‘Nitsangana tamin'ny maty Izy', ary ny fitaka farany dia ho ratsy noho ilay tamin'ny voalohany.”
\v 1 Ary tamin'ny alin'ny Sabata, raha vao nanomboka mangiran-dratsy ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia lasa nandeha nijery ny fasana Maria Magdalena sy ilay Maria iray hafa.
\v 2 Indro, nisy horohoron-tany be, fa ny anjelin'ny Tompo no nidina avy any an-danitra, tonga ary nanakodia ny vato, ka nipetraka teo ambonin'izany.
\v 3 Ny endriny dia toy ny tselatra, ary ny akanjony dia fotsy tahaka ny oram-panala.
\v 4 Raiki-tahotra ireo mpiambina ka nanjary tahaka ny lehilahy maty.