plt_tq/2ti/03/16.md

524 B

Ahoana ny fomba nanomezana ny olona ny Soratra Masina rehetra?

Avy amin'ny tsindrimandrin'Andriamanitra ny Soratra Masina.

Amin'ny inona no tombon'ny Soratra Masina?

Ho an'ny fotom-pampianarana, ho an'ny fanondroana ireo diso, ho an'ny fanitsiana, ary ho an'ny fampiofanana amin'ny fahamarinana no tombon'ny Soratra Masina.

Inona no tanjona amin'ny fampiofanana ny olona ao amin'ny Soratra Masina?

Nofanina ny olona tao amin'ny Soratra Masina mba hahay tsara, sy ho voaomana tanteraka amin'ny asa tsara rehetra.