plt_tn/mat/07/03.md

1.6 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Miresaka amina vondron'olona momba izay mety hanjoa azy ireo tsirairay avy i Jesosy. Ny mpisolo-tena "-nao" sy "ianao "dia manondro olon-tokana avokoa, saingy mety mila mandika izany amin'ny teny fanondroana olona maro ianao.

Nahaoana ianao no mijery ... nefa tsy tsikaritrao ny andry ao anaty masonao?

Mampiasa io fanontaniana io i Jesosy mba hampitandrina ireo olona mba handinika tsara ny fahotan'izy ireo manokana alohan'ny hijerena ny fahotan'ny hafa. DH: "aza mijery ... kanefa tsy mahita ny andry izay eo amin'ny masonao"

singa-mololo kely izay ao anatin'ny mason'ny rahalahinao

Io dia sarin-teny hilazana ny fahadisoana kely indrindra ataon'ny mpiray finoana.

singa-mololo kely

"tasy" (UDB) na "poti-kazo'' na "vovoka." Mampiasà teny mahalaza ny zavatra kely indrindra izay matetika tafiditra anaty mason'olona.

rahalahinao

Ny hoe "rahalahy" rehetra ao amin'ny 7:3-5 dia ilazana ny mpiray finoana, fa tsy rahalahy ara-bakiteny na mpiray vodi-rindrina akory.

andry ao anaty masonao

Io dia sarin-teny ilazana ny fahadisoan-dehiben'ny olona iray. Ny andry dia tsy afaka ny ho tafiditra ara-bakiteny ao anaty mason'olona iray. Manindry mafy i Jesosy fa tokony handinika tsara ny fahadisoan-dehibeny ny olona iray alohan'ny hiresahany momba ny fahadisoana kelin'ny hafa.

andry

Ilay vata-kazo be izay nokapain'olona.

Ahoana no hitenenanao ... masonao?

Mampiasa io fanontaniana io i Jesosy mba hampitandrina ireo olona mba handinika tsara ny fahotan'izy ireo manokana alohan'ny hijerena ny fahotan'ny hafa. DH: "Tsy tokony hiteny ianao hoe ... ao anaty masonao."