plt_tn/mat/06/30.md

1014 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Miresaka amina vondron'olona momba izay mety hanjoa azy ireo tsirairay avy i Jesosy. Ny mpisolo-tena "-nareo" sy "anareo" dia manondro olona maro.

ampitafian'Andriamanitra tahaka izany ny ahitra

Sarin-teny izay midika fa ataon'Andriamanitra tsara tarehy ny voninkazo.

ahitra

Raha manana teny izay mahalaza ny "ahitra" sy ny teny nilazanao ny "lilia" tao amin'ny andininy teo aloha ny fiteninao, dia ampiasao eto izany.

hatsipy ao am-patana

Nampiasa ahitra tao amin'ny afo ny Jiosy tamin'izany fotoana izany mba handrahoana ny sakafon'izy ireo. DH: "misy olona iray manipy izany ao anaty afo" na "misy olona mandoro azy"

toy ahoana no ampitafiany anareo bebe kokoa... finoana

Mampiasa fanontaniana i Jesosy mba hampianarana ny olona. DH: "hampitafiany tokoa ianao ... finoana"

ry kely finoana

"ianao izay manana finoana kely tahaka izany." Mibedy ny olona i Jesosy satria kely ny finoan'izy ireo an'Andriamanitra.

Noho izany

"Noho izany rehetra izany"