# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Miresaka amina vondron'olona momba izay mety hanjoa azy ireo tsirairay avy i Jesosy. Ny mpisolo-tena "-nareo" sy "anareo" dia manondro olona maro. # ampitafian'Andriamanitra tahaka izany ny ahitra Sarin-teny izay midika fa ataon'Andriamanitra tsara tarehy ny voninkazo. # ahitra Raha manana teny izay mahalaza ny "ahitra" sy ny teny nilazanao ny "lilia" tao amin'ny andininy teo aloha ny fiteninao, dia ampiasao eto izany. # hatsipy ao am-patana Nampiasa ahitra tao amin'ny afo ny Jiosy tamin'izany fotoana izany mba handrahoana ny sakafon'izy ireo. DH: "misy olona iray manipy izany ao anaty afo" na "misy olona mandoro azy" # toy ahoana no ampitafiany anareo bebe kokoa... finoana Mampiasa fanontaniana i Jesosy mba hampianarana ny olona. DH: "hampitafiany tokoa ianao ... finoana" # ry kely finoana "ianao izay manana finoana kely tahaka izany." Mibedy ny olona i Jesosy satria kely ny finoan'izy ireo an'Andriamanitra. # Noho izany "Noho izany rehetra izany"