plt_tn/mat/06/19.md

832 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Manomboka mampianatra momba ny vola sy ny fananana i Jesosy.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Miresaka amina vondron'olona momba izay mety hanjoa azy ireo tsirairay avy i Jesosy. Ny mpisolo-tena "-nareo" sy "anareo" dia manondro olona maro, afa-tsy ny ao amin'ny andininy faha 21, izay manondro olona tokana.

izay simbain'ny kalalao sy harafesina

"izay hanimban'ny kalalao sy ny harafesina ny harena"

kalalao

Biby kely, manidina mpanimba lamba

harafesina

zavatra miloko volon-tany miraikitra eo amin'ny vy

tehirizo ny harenareo any an-danitra

Io dia sarin-teny izay midika hoe manaova zavatra tsara ety an-tany mba hamalian'andriamanitra soa anao any an-danitra.

no itoeran'ny fonao ihany koa

Eto ny hoe "fo" dia ilazana ny eritreritra na izay mahaliana ny olona iray.