plt_tn/mat/05/43.md

1.7 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Manohy mampianatra momba ny fahatongavany hanatanteraka ny lalàn'ny Testamenta Taloha i Jesosy. Eto Izy dia manomboka miresaka momba ny fitiavana ny fahavalo.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Miresaka amina vondron'olona momba izay mety hanjoa azy ireo tsirairay avy i Jesosy. Ny hoe "tiavo ... mankahalà ny fahavalonao" ihany no manondro olon-tokana, saingy mety mila mandika izany amin'ny teny fanondroana olona maro ianao. Ireo didy hoe "tiavo" na "mivavaha," dia manondro olona maro.

Efa renareo fa voalaza hoe

Manaiky an'Andriamanitra sy ny teniny i Jesosy. Fa tsy manaiky ny fomba fampiaran'ireo mpitarika fivavahana ny tenin'Andriamanitra. Azo adika hoe DH: "Nilaza taminareo ny mpitarika fivavahanareo fa Andriamanitra no niteny." Jereo ny nandikanao azy tao amin'ny toko faha 5:33.

ny mpiara-belona

Ny teny hoe "mpiara-belona" eto dia ilazana ny mpikambana iray ao amin'ny fiarahamonina na vondron'olona izay irian'ny olona iray na tsy maintsy, hoentina am-pitiavana. Tsy maneho ny olona mpiray vodi-rindrina ihany io. Mety mila mandika an'io amin'ny teny fanondroana olona maro ianao.

Fa lazaiko

Ny mpisolo tena tampisaka "-ko" eto dia fanamafisana. Mampiseho izany fa izay lazain'i Jesosy dia manan-danja mitovy amin'ny didy avy amin'Andriamanitra tany am-boalohany. Ezaho adika amin'ny fomba iray izay mampiseho izany fanamafisana izany io fehezanteny io. Jereo hoe ahoana no nandikanao izany tao amin'ny toko 5:21.

mba ho tonga zanaky ny Rainareo

Ny tsara indrindra dia ny mandika ny hoe "zanaka" amin'ny teny izay mahalaza amin'ny fomba tsotra ny hoe zanak'olombelona ao amin'ny fiteninao.

Ray

Fiantsoana manan-danja an'Andriamanitra io.