# Fampifandraisana ny foto-kevitra Manohy mampianatra momba ny fahatongavany hanatanteraka ny lalĂ n'ny Testamenta Taloha i Jesosy. Eto Izy dia manomboka miresaka momba ny fitiavana ny fahavalo. # Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Miresaka amina vondron'olona momba izay mety hanjoa azy ireo tsirairay avy i Jesosy. Ny hoe "tiavo ... mankahalĂ  ny fahavalonao" ihany no manondro olon-tokana, saingy mety mila mandika izany amin'ny teny fanondroana olona maro ianao. Ireo didy hoe "tiavo" na "mivavaha," dia manondro olona maro. # Efa renareo fa voalaza hoe Manaiky an'Andriamanitra sy ny teniny i Jesosy. Fa tsy manaiky ny fomba fampiaran'ireo mpitarika fivavahana ny tenin'Andriamanitra. Azo adika hoe DH: "Nilaza taminareo ny mpitarika fivavahanareo fa Andriamanitra no niteny." Jereo ny nandikanao azy tao amin'ny toko faha 5:33. # ny mpiara-belona Ny teny hoe "mpiara-belona" eto dia ilazana ny mpikambana iray ao amin'ny fiarahamonina na vondron'olona izay irian'ny olona iray na tsy maintsy, hoentina am-pitiavana. Tsy maneho ny olona mpiray vodi-rindrina ihany io. Mety mila mandika an'io amin'ny teny fanondroana olona maro ianao. # Fa lazaiko Ny mpisolo tena tampisaka "-ko" eto dia fanamafisana. Mampiseho izany fa izay lazain'i Jesosy dia manan-danja mitovy amin'ny didy avy amin'Andriamanitra tany am-boalohany. Ezaho adika amin'ny fomba iray izay mampiseho izany fanamafisana izany io fehezanteny io. Jereo hoe ahoana no nandikanao izany tao amin'ny toko 5:21. # mba ho tonga zanaky ny Rainareo Ny tsara indrindra dia ny mandika ny hoe "zanaka" amin'ny teny izay mahalaza amin'ny fomba tsotra ny hoe zanak'olombelona ao amin'ny fiteninao. # Ray Fiantsoana manan-danja an'Andriamanitra io.