forked from WA-Catalog/plt_tn
36 lines
1.8 KiB
Markdown
36 lines
1.8 KiB
Markdown
# Fampifandraisana nyfoto-kevitra
|
|
|
|
Manohy mampianatra momba ny fahatongavany hanatanteraka ny lalàn'ny Testamenta Taloha i Jesosy. Eto Izy dia manomboka miresaka momba ny famaliana faty ny fahavalo.
|
|
|
|
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
|
|
|
|
Miresaka amina vondron'olona momba izay mety hanjoa azy ireo tsirairay avy i Jesosy. Ny teny hoe "-nareo" ao amin'ny hoe "renareo" sy hoe "Izaho milaza aminareo" dia manondro olona maro. Ny fehezanteny "na iza na iza mamely ny takolakao" dia manondro olon-tokana.
|
|
|
|
# Renareo fa voalaza hoe
|
|
|
|
Manaiky an'Andriamanitra sy ny teniny i Jesosy. Fa tsy manaiky ny fomba fampiaran'ireo mpitarika fivavahana ny tenin'Andriamanitra. Azo adika hoe DH: "Nilaza taminareo ny mpitarika fivavahanareo fa Andriamanitra no niteny." Jereo ny nandikanao azy tao amin'ny toko faha 5:33.
|
|
|
|
# Maso solon'ny maso, ary nify solon'ny nify.
|
|
|
|
Namela ny olona iray hamely ny olona iray hafa toy ny namelezany azy ny lalàn'i Mosesy, saingy tsy afaka namely ratsy kokoa.
|
|
|
|
# Fa Izaho kosa milaza
|
|
|
|
Ny hoe "izaho" dia fanamafisana. Mampiseho izany fa izay lazain'i Jesosy dia manan-danja mitovy amin'ny didy avy amin'Andriamanitra tany am-boalohany. Ezaho adika amin'ny fomba iray izay mampiseho izany fanamafisana izany io fehezanteny io. Jereo hoe ahoana no nandikanao izany tao amin'ny toko 5:21.
|
|
|
|
# izay ratsy
|
|
|
|
"olon-dratsy" na "olona izay mamely anao" (UDB)
|
|
|
|
# mamely ny takolakao ankavanana
|
|
|
|
Ny famelahana ny tarehin'olona dia fanalam-baraka eo amin'ny kolontsain'i Jesosy. Toy ny maso sy ny tanana, ny takolaka havanana dia zavatra iray manan-danja kokoa, ary ny famelahana izany takolaka izany dia fanalam-baraka mahatsiravina.
|
|
|
|
# mamely
|
|
|
|
"mamelaka." Mamely olona amin'ny felan-tanana misokatra no dikan'izany.
|
|
|
|
# atolory azy koa ny ilany
|
|
|
|
"avelao koa izy hamely ny takolakao ilany"
|