plt_tn/mat/05/38.md

1.8 KiB

Fampifandraisana nyfoto-kevitra

Manohy mampianatra momba ny fahatongavany hanatanteraka ny lalàn'ny Testamenta Taloha i Jesosy. Eto Izy dia manomboka miresaka momba ny famaliana faty ny fahavalo.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Miresaka amina vondron'olona momba izay mety hanjoa azy ireo tsirairay avy i Jesosy. Ny teny hoe "-nareo" ao amin'ny hoe "renareo" sy hoe "Izaho milaza aminareo" dia manondro olona maro. Ny fehezanteny "na iza na iza mamely ny takolakao" dia manondro olon-tokana.

Renareo fa voalaza hoe

Manaiky an'Andriamanitra sy ny teniny i Jesosy. Fa tsy manaiky ny fomba fampiaran'ireo mpitarika fivavahana ny tenin'Andriamanitra. Azo adika hoe DH: "Nilaza taminareo ny mpitarika fivavahanareo fa Andriamanitra no niteny." Jereo ny nandikanao azy tao amin'ny toko faha 5:33.

Maso solon'ny maso, ary nify solon'ny nify.

Namela ny olona iray hamely ny olona iray hafa toy ny namelezany azy ny lalàn'i Mosesy, saingy tsy afaka namely ratsy kokoa.

Fa Izaho kosa milaza

Ny hoe "izaho" dia fanamafisana. Mampiseho izany fa izay lazain'i Jesosy dia manan-danja mitovy amin'ny didy avy amin'Andriamanitra tany am-boalohany. Ezaho adika amin'ny fomba iray izay mampiseho izany fanamafisana izany io fehezanteny io. Jereo hoe ahoana no nandikanao izany tao amin'ny toko 5:21.

izay ratsy

"olon-dratsy" na "olona izay mamely anao" (UDB)

mamely ny takolakao ankavanana

Ny famelahana ny tarehin'olona dia fanalam-baraka eo amin'ny kolontsain'i Jesosy. Toy ny maso sy ny tanana, ny takolaka havanana dia zavatra iray manan-danja kokoa, ary ny famelahana izany takolaka izany dia fanalam-baraka mahatsiravina.

mamely

"mamelaka." Mamely olona amin'ny felan-tanana misokatra no dikan'izany.

atolory azy koa ny ilany

"avelao koa izy hamely ny takolakao ilany"