plt_tn/mat/05/17.md

1.2 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Manomboka mampianatra momba ny fahatongavany hanatanteraka ny lalàn'ny Testamenta Taloha i Jesosy.

ireo mpaminany

Maneho izay nosoratan'ireo mpaminany ao amin'ny soratra masina io.

lazaiko marina aminareo

"Milaza ny marina aminareo Aho." Manindry izay ho lazain'i Jesosy manaraka io fehezanteny io.

mandra-pahalevon'ny lanitra sy ny tany

Eto ny hoe "lanitra" sy "tany" dia ilazana an'izao tontolo izao. DH: "raha mbola maharitra koa izao tontolo izao"

na dia litera iray sy tendron-tsoratra iray

"na dia ny soratra kely indrindra izay voasoratra na ampahany kely indrindra amin'ny lahatsoratra." Io dia sarin-teny maneho zavatra iray ao amin'ny soratra masina izay mety ho ohatran'ny tsy dia manan-danja. DH: "na dia ireo lalàna izay toa tsy dia manan-danja aza"

mandra-pahatanteraky ny zavatra rehetra

Azo adika hoe DH: "mandra-pitrangan'ny zavatra rehetra" na "Andriamanitra no mahatonga ny zavatra rehetra hitranga"

ny zavatra rehetra

Ny fehezanteny hoe "ny zavatra rehetra" dia maneho ny zavatra rehetra ao amin'ny lalàna. DH: "ny zavatra rehetra ao amin'ny lalàna" na "izay rehetra voasoratra ao amin'ny lalàna"