plt_tn/mat/05/17.md

28 lines
1.2 KiB
Markdown
Raw Normal View History

2021-09-23 18:22:03 +00:00
# Fampifandraisana ny foto-kevitra
Manomboka mampianatra momba ny fahatongavany hanatanteraka ny lalàn'ny Testamenta Taloha i Jesosy.
# ireo mpaminany
Maneho izay nosoratan'ireo mpaminany ao amin'ny soratra masina io.
# lazaiko marina aminareo
"Milaza ny marina aminareo Aho." Manindry izay ho lazain'i Jesosy manaraka io fehezanteny io.
# mandra-pahalevon'ny lanitra sy ny tany
Eto ny hoe "lanitra" sy "tany" dia ilazana an'izao tontolo izao. DH: "raha mbola maharitra koa izao tontolo izao"
# na dia litera iray sy tendron-tsoratra iray
"na dia ny soratra kely indrindra izay voasoratra na ampahany kely indrindra amin'ny lahatsoratra." Io dia sarin-teny maneho zavatra iray ao amin'ny soratra masina izay mety ho ohatran'ny tsy dia manan-danja. DH: "na dia ireo lalàna izay toa tsy dia manan-danja aza"
# mandra-pahatanteraky ny zavatra rehetra
Azo adika hoe DH: "mandra-pitrangan'ny zavatra rehetra" na "Andriamanitra no mahatonga ny zavatra rehetra hitranga"
# ny zavatra rehetra
Ny fehezanteny hoe "ny zavatra rehetra" dia maneho ny zavatra rehetra ao amin'ny lalàna. DH: "ny zavatra rehetra ao amin'ny lalàna" na "izay rehetra voasoratra ao amin'ny lalàna"