plt_tn/mat/05/01.md

1.2 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Ity no fiandohan'ny fizaran-tantara vaovao izay hanombohan'i Jesosy mampianatra ireo mpianany. Ity fizarana ity dia mitohy hatrany amin'ny faran'ny toko faha 7 ary antsoina matetika hoe ilay Toriteny teo An-tendrombohitra.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Ao amin'ny andininy faha 3, dia manomboka mamaritra ny toetoetry ny olona sambatra i Jesosy.

Nanokatra ny vavany Izy

Fomba fiteny io. DH: "Nanomboka niteny i Jesosy"

nampianatra azy ireo

Ny teny hoe "izy ireo" dia ilazana ireo mpianany.

mahantra am-panahy

Io dia midika hoe olona izay manetri-tena. DH: "ireo izay mahalala fa mila an'Andriamanitra izy ireo"

azy ireo ny fanjakan'ny lanitra

Eto ny hoe "fanjakan'ny lanitra" dia ilazana an'Andriamanitra manapaka toy ny mpanjaka. Io fehezanteny io dia ao amin'ny bokin'ny Matio ihany. Raha azo atao, tazony ao amin'ny dikan-teninao ny hoe "lanitra." DH: "fa ho mpanjakan'izy ireo Andriamanitra any an-danitra "

Sambatra ireo misaona

Ny mety ho antony mampalahelo azy ireo dia 1) ny toetra feno otan'izao tontolo izao na 2) ny fahafatesan'ny olona iray. Aza asongadina ny antony hisaonana raha tsy mitaky izany ny fiteninao.

hampiononina izy ireo

Azo atao hoe DH: "Andriamanitra hampionona azy ireo"