plt_tn/mat/05/01.md

32 lines
1.2 KiB
Markdown
Raw Normal View History

2021-09-23 18:22:03 +00:00
# Fampifandraisana ny foto-kevitra
Ity no fiandohan'ny fizaran-tantara vaovao izay hanombohan'i Jesosy mampianatra ireo mpianany. Ity fizarana ity dia mitohy hatrany amin'ny faran'ny toko faha 7 ary antsoina matetika hoe ilay Toriteny teo An-tendrombohitra.
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Ao amin'ny andininy faha 3, dia manomboka mamaritra ny toetoetry ny olona sambatra i Jesosy.
# Nanokatra ny vavany Izy
Fomba fiteny io. DH: "Nanomboka niteny i Jesosy"
# nampianatra azy ireo
Ny teny hoe "izy ireo" dia ilazana ireo mpianany.
# mahantra am-panahy
Io dia midika hoe olona izay manetri-tena. DH: "ireo izay mahalala fa mila an'Andriamanitra izy ireo"
# azy ireo ny fanjakan'ny lanitra
Eto ny hoe "fanjakan'ny lanitra" dia ilazana an'Andriamanitra manapaka toy ny mpanjaka. Io fehezanteny io dia ao amin'ny bokin'ny Matio ihany. Raha azo atao, tazony ao amin'ny dikan-teninao ny hoe "lanitra." DH: "fa ho mpanjakan'izy ireo Andriamanitra any an-danitra "
# Sambatra ireo misaona
Ny mety ho antony mampalahelo azy ireo dia 1) ny toetra feno otan'izao tontolo izao na 2) ny fahafatesan'ny olona iray. Aza asongadina ny antony hisaonana raha tsy mitaky izany ny fiteninao.
# hampiononina izy ireo
Azo atao hoe DH: "Andriamanitra hampionona azy ireo"