plt_tn/mat/04/05.md

1.2 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Ao amin'ny andininy faha 6, Satana dia milaza ny teny avy ao amin'ny Salamo mba hakana fanahy an'i Jesosy.

Raha Zanak'Andriamanitra ianao, dia mianjerà any ambany any

Tsara ny milaza fa fantatr'i Satana hoe Zanak'Andriamanitra i Jesosy. Ireo mety ho dikany dia izao 1) fakàna fanahy hanao fahagagana ho an'ny tombotsoan'i Jesosy ihany io. DH: "satria tena Zanak'Andriamanitra tokoa Ianao, dia afaka mampianjera ny tenanao any ambany any" na 2) fiantsiana na fiampangana izany. DH: "Porofoy amin'ny fampianjerana ny tenanao any ambany any fa Ianao tokoa no Zanak'Andriamanitra" (UDB)

Zanak'Andriamanitra

Fiantsoana manan-danja izay mamaritra ny fifandraisana misy eo amin'Andriamanitra sy Jesosy io.

mianjerà any ambany any

"aoka hianjera amin'ny tany ny tenanao" na "Milatsaha any ambany"

fa voasoratra hoe

Azo atao hoe DH: "fa nosoratan'ny mpanoratra tao amin'ny soratra masina hoe" na "fa voalazan'ny soratra masina hoe"

Izy handidy ireo anjeliny hiahy anao

"Andriamanitra handidy ireo anjeliny hiahy Anao." DH: "Andriamanitra hiteny amin'ireo anjeliny hoe: ''karakarao Izy'"

hanandratra Anao ... izy ireo

"Hihazona anao ireo anjely"