plt_tn/mat/04/05.md

28 lines
1.2 KiB
Markdown
Raw Normal View History

2021-09-23 18:22:03 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Ao amin'ny andininy faha 6, Satana dia milaza ny teny avy ao amin'ny Salamo mba hakana fanahy an'i Jesosy.
# Raha Zanak'Andriamanitra ianao, dia mianjerà any ambany any
Tsara ny milaza fa fantatr'i Satana hoe Zanak'Andriamanitra i Jesosy. Ireo mety ho dikany dia izao 1) fakàna fanahy hanao fahagagana ho an'ny tombotsoan'i Jesosy ihany io. DH: "satria tena Zanak'Andriamanitra tokoa Ianao, dia afaka mampianjera ny tenanao any ambany any" na 2) fiantsiana na fiampangana izany. DH: "Porofoy amin'ny fampianjerana ny tenanao any ambany any fa Ianao tokoa no Zanak'Andriamanitra" (UDB)
# Zanak'Andriamanitra
Fiantsoana manan-danja izay mamaritra ny fifandraisana misy eo amin'Andriamanitra sy Jesosy io.
# mianjerà any ambany any
"aoka hianjera amin'ny tany ny tenanao" na "Milatsaha any ambany"
# fa voasoratra hoe
Azo atao hoe DH: "fa nosoratan'ny mpanoratra tao amin'ny soratra masina hoe" na "fa voalazan'ny soratra masina hoe"
# Izy handidy ireo anjeliny hiahy anao
"Andriamanitra handidy ireo anjeliny hiahy Anao." DH: "Andriamanitra hiteny amin'ireo anjeliny hoe: ''karakarao Izy'"
# hanandratra Anao ... izy ireo
"Hihazona anao ireo anjely"