plt_tn/mat/02/04.md

969 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Ao amin'ny andininy faha 6, ireo lohan'ny mpisorona sy ireo mpanora-dalàna dia milaza ny tenin'ny Mika mpaminany mba hampiseho ho teraka ao Belthlehema ny Kristy.

Ao Bethleheman'i Jodia

Ao amin'ny tanànan'i Bethlehema ao amin'ny faritanin'i Jodia"

Fa izao no voasoratry ny mpaminany

Azo atao hoe: "Izao no nosoratan'ny mpaminany hatry ny ela"

ianao, Bethlehema, ... dia tsy kely indrindra amin'ireo mpitondran'i Joda

Niteny tamin'ireo vahoakan'i Betlehema toy ny hoe niaraka tamin'izy ireo i Mika saingy tsy teo ireo. Ary koa, ny hoe "tsy kely indrindra" dia azo adika hoe: "ianareo vahoakan'i Bethlehema, ... ny tanànanareo dia isan'ireo tanàna manan-danja indrindra ao Joda"

izay hiandry ny oloko Israely

Milaza ny momba an'io mpanapaka io ho toy ny mpiandry ondry i Mika. Midika izany fa hitarika sy hikarakara ireo vahoaka. DH: "izay hitarika ny oloko Israely tahaka ny mpiandry ondry mitarika ny ondriny"