plt_tn/mat/02/04.md

20 lines
969 B
Markdown
Raw Normal View History

2021-09-23 18:22:03 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Ao amin'ny andininy faha 6, ireo lohan'ny mpisorona sy ireo mpanora-dalàna dia milaza ny tenin'ny Mika mpaminany mba hampiseho ho teraka ao Belthlehema ny Kristy.
# Ao Bethleheman'i Jodia
Ao amin'ny tanànan'i Bethlehema ao amin'ny faritanin'i Jodia"
# Fa izao no voasoratry ny mpaminany
Azo atao hoe: "Izao no nosoratan'ny mpaminany hatry ny ela"
# ianao, Bethlehema, ... dia tsy kely indrindra amin'ireo mpitondran'i Joda
Niteny tamin'ireo vahoakan'i Betlehema toy ny hoe niaraka tamin'izy ireo i Mika saingy tsy teo ireo. Ary koa, ny hoe "tsy kely indrindra" dia azo adika hoe: "ianareo vahoakan'i Bethlehema, ... ny tanànanareo dia isan'ireo tanàna manan-danja indrindra ao Joda"
# izay hiandry ny oloko Israely
Milaza ny momba an'io mpanapaka io ho toy ny mpiandry ondry i Mika. Midika izany fa hitarika sy hikarakara ireo vahoaka. DH: "izay hitarika ny oloko Israely tahaka ny mpiandry ondry mitarika ny ondriny"